MITOMBO INDRAY NY FITANGORONANA Ho zaraina ny lelavola fanampiana

Nitohy indray ny fisarihana olona ho amin’ny fitangoronana, io maraina io. Ho zaraina indray manko ny lelavola 100.000 ar, ho an’ireo tena sahirana sy marefo ary tapaka karama. Tsy avy hatrany dia zaraina io vola io fa mbola mitandahatra aloha ny olona, mitondra ny mombamomba azy, miaraka amin’ny karapananodro sy ny karinem-pokontany. Ho dinihan’ny tompon’andraikitra tsirairay aloha ireo antotan-taratasy ireo ary mbola hamarinina avy eo.