CORONAVIRUS 15 no tranga vaovao androany

Miampy 15 indray ny olona voan’ny tsimokaretina coronavirus, araka ny tatitra ofisialy androany. Ny 11 tamin’ireo olona ireo dia tao Toamasina, 2 Antananarivo, 1 Moramanga ary 1 Bongolava. Mahatratra 542, noho izany, ireo olona voa hatramin’izay, araka ny fitliana miisa 9 114 natao hatrizay.

ARETINA MAMANY LAVA 50 000 mahery ireo vehivavy malagasy iharany

Ny sabotsy lasa teo no nanamarihana ny fankalazana ny andro eran-tany ho an’ny faharovitan’ny tatavia, izay antony mahatonga ny aretina mamany lava ho an’ireo Reny avy niatrika fiterahana. Fanatanterahana ireo tomban’ezaka vita sy ny mbola ho hefaina, io no nentina nanamarihana izany ho an’i Madagasikara. Miisa 50 000 ireo vehivavy rovitra tatavia taorian’ny fiatrehana ny fiterahana.