INTERVIEW de Mohamed Abdoul Bastoi, expert en microfinance, pour éclairer les lecteurs sur les relations monétaires entre la France et les Comores…
Jour : 4 mai 2023
« TEMPO GAIGY » - 25 TAONA Homarihana amin’ny seho goavana
Ho tontosaina ny tolakandron’ny Alahady 14 Mey izao, ao Antsahamanitra, ny seho goavana sy matihanina ho fankalazana ny faha-25 taona niakaran’ny « Tempo Gaigy » an-tsehatra. Handray anjara mavitrika anatin’ny fampisehoana avokoa izy efatra mirahalahy angady nananana sy vy nahitana ny tarika.
« JINGHUI SYMPHONIE ORCHESTRA » Mivoy « Mozika mitaiza fanahy »
« Jinghui symphonie orchestra », hivondronan’ireo Sinoa moine, miisa manodidina ny 60 mianadahy. Mpitendry zavamaneno toy ny lokanga, harpe, sodina, contre basse, sns sady mpihira ary misy mandihy ihany koa izy ireo mandrafitra ny « Jinghui simphonie orchestra » izay mivoy ny mozika nentim-paharazana Sinoa toy ny « mozika klasika bodista ».
IBERANANDRASANA JHONA AUGUSTIN « Anisany nanimba ny Maha-malagasy ny fivavahana kristianina »
Ankoatry ny fibosesehan’ireo riba sy kolontsaina ary fomba amam-panao vahiny teto amintsika izay niteraka fahaverezana sy fahapotehana teo amin’ny soatoavina malagasy toy ny firaisankina, fihavanana, sns dia tsy azo lavina, hoy i Iberanandrasana Jhona Augustin fa anisany naha potika ny « Maha-malagasy » ihany koa ny nidiran’ny fivavahana kristianina teto Madagasikara.