FIRAISANKINA AMBOHIMANGAKELY Manentana ny mponina andeha hifidy, nirindra ny fampielezan-kevitra

Tamin’ny ankapobeny tontosa tamin’ny andavany sy antsakany ny fampilezan-kevitra ho amin’ny fifidianana ho Solombavambahoaka ho an’ny Vovonana Firaisankina, ao Ambohimangakely. Nomarihan’ny filohan’ny Com TIM eny an-toerana Razanakoto Hajasoa Pascal « Haja boum » fa voatety avokoa ireo fokontany miisa valo ambiny folo mandrafitra ny Kaominina Ambohimangakely.