Randrianirina Jean Ignace, fantatra eo amin’ny sehatra fanaovana politika sy ny taranjam-panatanjahatena baolina kitra amin’ilay solonaranara hoe : Ramasy. Anisan’ireo efa nitondra avo ny fanevan’i Madagasikara teo amin’ny baolina kitra tamin’ny taona 80-90. Efa anisan’ny ekipam-pirenena niatrika ny lalao antsasa-dalana tamin’ny fiadiana ny amboaran’ny Afrika isika tamin’ny androny. Ramasy ihany koa no filohan’ny K2HB « Komity Hamerina ny Hasin’ny Baolina kitra ».
Jour : 3 octobre 2024
NOSY SAKATIA Atsaharo ny fanitsakitsahana ny lalàna sy ny kolikoly ary ny fangoronan-tany ataon’ny orinasa Green Mada Land
Tamin’ny 12 Jolay 2023 dia nandefa taratasy misotraka tamin’ny Filoham-pirenena ny fikambanana manao sonia ity fanambarana ity, manoloana ny zava-misy manodidina ny fampanofana tany mandritry ny 99 taona tsy ara-dalàna nifanarahan’ny mpampiasa vola lehibe fanta-daza ao amin’ny orinasa GREEN MADA LAND sy ny manam-pahefana Malagasy, mikasika ny Nosy Sakatia ao amin’ny faritra Diana any avaratra-andrefan’i Madagasikara.
TARIKA « GASY MI… » Manandratra ny Mozika sy ny Soatoavina malagasy
Tano ny Anao fa ny an’ny hafa tsy omeny ary tsarovy fa Malagasy anie Ianao ! Ireo andalam-pehezanteny maromaro ireo no mahafehy ny antom-pisian’ny tarika « Gasy mi »…