« HELIOSERA » : Ho fanoitran’ny fampandrosoana marolafy

Ny Printsy Andry Rodrigue no niezaka nikaroka sy namoha indray ny teknolojia tranainy entina nitrandraka ny sehatry ny fifandraisana sy ny fahazoam-baovao amin’ny alalan’ny fampiasana ny tara masoandro. Efa mandia ny faha dimy taona nandalinana ny tontolon’ny « Heliosera » ny Printsy Andry Rodrigue ankehitriny. Raha hazavaina tsotra teknolojia mampiasa ny herin’ny masoandro « Helios » ho amin’ny fanangonam-baovao sy ny fifandraisana ny « Heliosera »…