Mba ho fampitomboana hatrany ny fahalalana eo amin’ireo mpampianatra eny amin’ny Liseam-panjakana dia nampiofana azy ireo teny amin’ny « Lycée Nanisana » ny avy eo anivon’ny « ECPAT France Madagascar », ny alarobia 5 sy ny alakamisy 6 martsa 2025. Anjaran’ireo mpampianatra tao amin’ity « Lyce Nanisana » ity araka izany no nandray ny fampiofanana tamin’ireo roa andro ireo raha efa nahazo ny anjarany tamin’izany ireo mpampianatra amin’ny Liseam-panjakana hafa…
Jour : 9 mars 2025
“MADAGASCAR FILM FESTIVAL – ISSM AWARDS 2024” : Miisa 75 ireo amboara ho atolotra
Ny andiany voalohany amin’ny fihaonana momba ny horonan-tsary na ny “Madagascar Film Festival – ISSM Awards 2024” no hotanterahana, eny amin’ny Havoria Anosy, ny 26 ka hatramin’ny 30 martsa 2025. Hetsika izay karakarain’ny Ivon-toeran’ny Sarimihetsika sy Sarimiaina Malagasy na ny (ISSM) izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina…
« GROUPE JCR » ANTSAKAVIRO : Mitondra anjara biriky amin’ireo Malagasy mpanao fanatanjahan-tena
Anisan’ireo orinasa manohana ny tena mpanao fanatanjahan-tena eto Madagasikara ny « Groupe JCR » izay manana ny foiben-toerany eny Antsakaviro. Ny filoha tale jeneralin’ity orinasa ity izay mpanao fanatanjahan-tena ihany koa fahiny. Izy izay nilalao baolina kitra sy haiady tamin’ny androm-pahatanorany, araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneralin’ny orinasa “Groupe JCR”, Dr Ratsimivony Jean Claude…
FANDRAKOFANA ALA INDRAY AN’I MADAGASIKARA : Nitondra ny anjara birikiny ny orinasa Star
Tsy diso anjara amin’ny fandrakofana ala indray an’i Madagasikara ny orinasa Star. Manaporofo izany ny fitondran’izy ireo anjara biriky tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo. Na ireo mpiasan’ny orinasa na ireo Vondron’olona eny ifotony na ireo mpamboly na ireo sekoly manodidina ny toeram-piasan’ny Star izay mpiara-miombon’antoka amin’ny orinasa Star na ihany koa ireo mpamboly mpiara-miasa aminy dia samy notoloran’ity orinasa ity tanana avokoa tamin’izany fambolen-kazo izany.
