FIANGONANA « VAVAKA FANAFAHANA » : Nanolotra ny « « Vavaka sy Tso-drano » ho an’ny tapa-taona faharoa »

Fiangonana Vavaka Fanafahana

Ny « « Vavaka sy Tso-drano » ho an’ny tapa-taona faharoa » indray no natolotry ny Fiangonana « Vavaka Fanafahana », ho an’ny mpino rehetra tsy ankavanaka manerana ny Nosy, ny alahady 27 jolay 2025, teny amin’ny « Pietra » Analakely. Ity « « Vavaka sy Tso-drano » ho an’ny tapa-taona faharoa » ity izay niarahana tamin’ny Pasteur Rabemananony Fidisoa sy Pasteur Noro Lucie…

FIAINANA ANDAVANANDRO : Tsy afa-misaraka intsony amin’ny malagasy ny MVola

MVola

Tsy nitsahatra ny nanakaiky hatrany ny mpanjifany ny MVola hatramin’izay 15 taona nisiany teto Madagasikara izay. Manaporofo izany ny fanamorany ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy tsirairay avy. Saika efa mampiasa ity sehatra fikirakirana ara-bola amin’ny alalan’ny tontolo dizitaly izay tsy azo ihodivirana ity avokoa ny Malagasy aman-tapitrisany, amin’izao fotoana izao…

FITSINJOVANA SY FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA : Mamadika ny tavoahangy plastika efa niasa ho fitaovana hafa ny tetikasa Kopakelatra

Kopakelatra

Nanomboka ny taona 2019 izay nisian’ny tetikasa Kopakelatra tao amin’ny orinasa Star dia tsy nitsahatra ny nitsinjo sy niaro ny tontolo iainana hatrany, ity orinasa ity. Fanangonana ireo tavoahangy plastika efa niasa ary mamadika izany ho fitaovana isan-karazany ho azo ampiasaina indray eo amin’ny fiainana andavanandro no nanatontosany izany fitsinjovana sy fiarovana ny tontolo iainana izany. Tanjon’ity tetikasa Kopakelatra ity rahateo izany…