Amin’ny alalan’ny fanoloran’ny orinasa STAR ireo vokatra vaovaony no hanakaikezany hatrany ireo mpanjifany. Fanolorana vokatra vaovao izay sady tsara kalitao no amin’ny vidiny mirary. Amin’izao vanim-potoana hanamarihana ny fetin’ny krismasy sy ny fetin’ny farany taona izao, ny orinasa STAR dia manasa ny mpanjifa hiara-hankalaza izany ao anatin’ny hamamiana. Vokatra vaovao atolotry ny orinasa ny mpanjifa araka izany ny “VALMONT” sy ny “CAPRICE NOËL” ary ny “THB NOËL”.
Jour : 30 novembre 2025
SEHATRY NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA : Maro ireo tanora malagasy no liana
Ny voka-pikarohan’ny “Office National de l’Emploi et de la Formation” na ny ONEF izay manana ny foiben-toerany eny Ampefiloha no nahafantarana fa ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana no tena mahasarika ny tanora ankehitriny. Manaporofo izany ny fanadihadiana notontosain’ity Sampandraharaha ity tamin’ireo Faritra miisa 3 eto Madagasikara.
