“Firahalahian’ny filohan’ny fokontany Kaominina Ambohimangakely” na “3FA” Fikambanan’ireo Filohan’ny Fokontany miisa valo ambinifolo mandrafitra ny Kaominina Ambohimangakely, distrikan’Antananarivo avaradrano. Ny Taona 2001 no efa nijoro ny Fikambanana “3FA”.
Jour : 23 janvier 2026
Assaut !
A l’assaut contre le parti le plus structuré de Madagascar. Les plus de 103 associations politiques se mettent à l’unisson pour démolir le mur de Jericho, fortement gardé. Il n’y aurait pas de sièges suffisants pour les placer tous. Ce n’est pas possible de mettre en marche le développement du pays avec une ambiance désorganisée. Pourquoi on attaque le TIM ? C’est une rivalité qui subsiste encore après l’IRMAR et l’IRD de Rajoelina. Ses partisans sont présents contre Ravalomanana.
FAHA-10 TAONAN’NY AMITIE TV : Hosokafana amin’ny fotoam-bavaka etsy Mahamasina
2016-2026. Feno folo taona amin’ity taona ity ny fahitalavitra rahavavy “Amitié télévision”, ka entina hanamarihana izany fankalazana ny tsingerintaona izany dia hisy ny hetsika goavana fiaraha-mivavaka hanasan’izy ireo ny olon-drehetra etsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny alahady 25 janoary ho avy izao.
SALON DE L’ETUDIANT ETSY AMIN’NY LE PAVE ANTANINARENINA : Hetsika hanampiana ireo tanora amin’ny fandratoana fianarana
Oniversite tsy miankina amin’ny Fanjakana, ivontoeram-piofanana ary ireo “Grande école” manodidina ny telopolo isa no azo tsidihana etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina mandritra ny roa andro dia ny 22 sy 23 janoary amin’ilay Salon de l’étudiant karakarain’ny Mada Jeune.
