ONIVERSITE TSY MIANKINA GSI : Nifampiarahaba noho ny taona vaovao sady nitrotro am-bavaka ny taom-pianarana

Oniversite GSI

Ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao sy ny fitsofan-drano ny Fianakaviamben’ny Oniversite tsy miankina GSI manerana ny Nosy no fitrotroana am-bavaka notontosain’izy ireo teny amin’ny Ekar Faravohitra, ny alakamisy 29 janoary 2026. Ny GSI rehetra Analakely, Antaninarenina, ByPass sy Antsirabe ary Toamasina dia hita teny an-toerana avokoa tamin’io fotona io.

“OBSERVATOIRE MAHITSY FIJERY ” : Mila tondrozotra mazava ny fitantanana ny firenena

Nifampiarahaba noho ny fahatratrarana ny taona vaovao ny avy ao amin’ny Fiaraha-monim-pirenena “Observatoire Mahitsy Fijery”, ny zoma 30 janoary 2026, teny Analakely. Ny jery todiky ny asa vita sy ny vina apetraka amin’ny ho avy no nasongadin’izy ireo, tamin’izany, tamin’ny alalan’ny Filoham-boninahitr’ity Fiaraha-monim-pirenena “Observatoire Mahitsy Fijery” ity, Ravololomanana Lalatiana.