ITAOSY : Mamaly mafy ny Zandary

Efa tsy rariny intsony ny ataon’ireto Zandary mpomba an’ny Vazaha sy ireo mpitondra ankehitriny.

Notifiriny ny vahoaka hatrany an-tsekoly koa dia misavorovoro hatrany ny toe-draharaha eto amin’ny firenena.

Tsy misafidy intsony ireo Zandary fa daroahany avy koa ny rehetra na zaza aman-behivavy na kilemaina mais zokiolona. Tsy misy eritreritra intsony fa toe-tsaina Feno habibiana manaraka ny baiko avy amin’i Vazaha sy ny forongony. Voatondro hatrany ny Praiministra, ry Baomba ary Lalatiana sy ny tariny.

Feno ny hopitaly eny Itaosy eny fa betsaka no naratra. Ny sasany nalefa niakatra any Antananarivo.

Mikorontana tanteraka Itaosy sy ny manodidina ary tsy hita izay filaminana. Misy an’ireo andian-jolahy koa moa tafiditra any anatin’ny vahoaka ireny ka mamely tampoka.

Sakoroka hitondra any amin’ny firodanan’i Vazaha zao toe-javatra izao hoy ny Vahoaka, izay leo tanteraka ny fitondrana ankehitriny.

Vous aimerez aussi