Nampiaka-peo ireo fikambanan’ny tantsaha manoloana ny fifanolanana ara-tany ao amin’ny lemak’i Bas Mangoky. Melohin’izy ireo mafy ny fisamborana misesisesy sy ny fanagadrana tsy ara-drariny mahazo ireo tantsaha miaro ny zony, indrindra fa ny fomba fiasa mampihorohoro sy ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona fototra.
Catégorie : Samihafa
TARIKA "ANDON'NY NATIORA" : Mitory ny filazantsara an-kira...
… sady hihira am-panahy no hihira ara-tsaina koa aho (Korintiana 14 : 15 b). Io no teny filamatra ho an’ny tarika”Andon’ny natiora” izay nijoro ny taona efatra ambinifolo sy roarivo tao Fort-Dauphin. “Andon’ny natiora” anarana nosafidianay, hoy, i Tovo mpandrindra ankapobeny ny tarika entina ilazana fa hatramin’ny zavaboahary kely sy bitika indrindra aza dia manana ny anjara asany ho amin’ny famonjena fanahin’Olombelona tsy ankanavaka.
SEKOLY ANGLIKANINA : Manana rafitra mazava, miroso hatrany amin'ny fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana
“Finoana, Fahendrena, Fahalalana” Io no teny filamatra ijoroan’ny Sekoly Anglikanina eto Madagasikara. Ankehitriny, manodidina ny fitompolo mahery ny sekoly Anglikanina miely patrana manerana ny Nosy ankehitriny. Nomarihan’i Raharilala Fleurot A Tale nasionalin’ny sekoly Anglikanina eto Madagasikara fa rafitra iray anatin’ny Fiangonana Anglikanina eto Madagasikara ny sekoly izay manana ny foibeny eny Ambohimanoro Antananarivo.
ANTOKO GRAD/ILOAFO : Nanatontosa Kongresy teny Andavamamba
Ny fankalazana ny faha-35 taona nijoroany sy ny fanatontosana ny kongresy fahaenin’ny antoko Grad/Iloafo no lanonana notontosain’izy ireo teny amin’ny foiben-toeran’ny antoko eny Andavamamba, ny zoma 8 may 2026.
FIM ANDIANY FAHA-27 : "Madagasikara mihetsika" no lohahevitra
Hifarana ny Alahady 10 Mey 2026 raha nanomboka ny Alakamisy 07 May, eny amin’ny CCI, ny FIM andiany faha-27, izay karakarain’ny orinasa MadaVision. “Madagasikara mihetsika” no lohahevitra amin’izao andiany izao. Tranoheva miisa 400 no miranty eny an-toerana izay handraisan’ireo mpandraharaha anjara miisa 300.
SAMBO TORM ELISE : Tonga ao Toamasina mitondra solika milanja 64 500 taonina
Ny talata 5 mey lasa teo no nigadona tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny sambo Torm Elise nitondra solika milanja 64 500 taonina, ahitana lasantsy, solika fandrehitra ary gazoala.
ZAVA-PISOTRO MAMPATANJAKA : Namokatra ny "Fosa" ny Star
Mampitombo isa hatrany ireo zava-pisotro mampatanjaka vokariny eto Madagasikara ny orinasa Star. Manaporofo izany ny famoahan’ity orinasa ity ny marika vaovao amin’ny zava-pisotro mampatanjaka antsoina hoe: “Fosa”. Ity marika ity izay mifantoka amin’ny fahatsapana voajanahary mba hisarihana ireo mpankafy fihetseham-po mahery.
VARA MADA : « Tsy azo ekena ny fanaovana sorona ny zon’ny vahoaka », hoy ny fiarahamonim-pirenena
Tao anatin’ny fanambarana nivoaka ny 21 avrily 2026, fikambanana fiarahamonim-pirenena maro no naneho ny fanoherany ny tetikasa Vara Mada. Nambaran’izy ireo ao anatin’izany ny ahiahiny manoloana ny mety ho fanitsakitsahana ny zon’ny vahoaka, ny harena voajanahary ary ny fiandrianam-pirenena.
VOVONANA MIJORO HO AN'NY FAMPANDROSOANA IFOTONY ETO MADAGASIKARA : Nanadio ny lakan-drano teny Andravoahangy
Ny fanadiovana ny lakan-drano teny amin’ny tsenan’Andravoahangy indray no hetsika ara-tsosialy notontosain’ny Vovonana Mijoro ho An’ny Fampandrosoana Ifotony eto Madagasikara na ny MAFI-M, ny sabotsy 18 Aprily 2026. Anton’izao hetsika izao dia ny fitsinjovana ireo mpiara-belona noho ny tontolo iainan’izy ireo.
VOVONANA TANORA ARON'NY FANAVAOZANA NA NY TAFA : Fanovana rafitra amin’ny alalan’ny Fikaonandoham-pirenena
Fanovana rafitra amin’ny alalan’ny Fikaonandoham-pirenena no napetraka fa tsy ny mifanohitra amin’izay na ny fanovana rafitra mialoha ny fotoana, io no nivoitra nandritry ny fampahafantaran’ny Vovonana Tanora Aron’ny FAnavaozana na ny TAFA, ny fijoroan’izy ireo tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma 17 aprily 2026, teny Anosizato Est I.
