DISTRIKAN'ANTANIMORA ATSIMO : Hangatahana mba ho Ar 1.000 ny saram-baksiny

Ny Solombavam-bahoakan'ny distrikan'Antanimora Atsimo, Baba Tea Longo

Distrika iray anisan’ireo betsaka biby fiompy omby ny any Antanimora Atsimo. Ny omby izay tsy maintsy tsindronina vaksiny amin’ny vidiny Ar 2.000 isaky ny enim-bolana. Tsy zakan’ny mponina any an-toerana anefa ankehitriny io vidin’ny tsindrona vaksiny Ar 2. 000 io ka mangataka ny hampidinana izany ho Ar 1.000, ny Solombavam-bahoaka voafidy tany amin’ity Distrikan’Antanimora Atsimo ity, Baba Tea Longo.

FIANTSONAN'NY ZOTRA E "KOLOINA" TSIAZOTAFO : Anaty fanariam-pako sy ahiana hitera-doza

Miaina anaty tontolo feno loto sady tandindomin-doza hatrany ireo miandry fiara Zotra E, etsy Tsiazotafo.

Toerana fametrahan’ny eo anivon’ny Kaominin’Antananarivo ny daba-pako lehibe no misy ny fiantsonan’ny faran’ny zotra E, anatin’ny “KOLOINA” mampitohy ny Renivohitra amin’Ambohimangakely. Vokany, mizaka sy mievoka tsy fidiny ny fofona maimbo sy mavoroka noho ireo fako danihan’ny andro ireo Mpanjifa milahatra mitanjozotra isanandro vaky etsy Tsiazotafo mampiasa ity Zotra fitaterana ity.

FIAKARAN’NY « DROITS D’ACCISES » : Manao antso avo amin’ny manam-pahefana ny orinasa STAR

Usine Star any Ambatolampy

Teo anelanelan’ny taona 2020 sy 2025 dia nahitana fiakarany 293% ny hetra alain’ny manam-pahefana amin’ny zava-pisotro labiera izay vokarin’ny orinasa STAR. Raha toa ka 290 Ariary isaky ny litatra izany teo aloha dia miakatra ho 850 Ariary ankehitriny. Izany hoe: tao anatin’io 5 taona io dia niakatra avo telo heny ny hetra alaina amin’ity zava-pisotro vokarin’ny orinasa STAR ity. Noho izany dia niakatra ny vidin’ny vokatra vokarina ka tsy takatry ny fahefa-mividin’ny mponina intsony.

FANAMBARANA AVY AMIN’NY FIKAMBANANA TANTSAHA NASIONALY ETO MADAGASIKARA

Fanambaran'ny Fikambanan'ny Tantsaha nasionaly

Manoloana ny zava-miseho eto amin’ny firenena, ny Fikambanana Tantsaha Nasionaly eto Madagasikara dia miondrika am-panajàna amin’ireo mpiray tanindrana namoy ny ainy sy mirary fahasitranana feno ho an’ireo naratra noho ny tolona amin’ny fitakiana ny zo fototra sy ny fampajàkana ny fahazoana maneho hevitra. Manameloka ihany koa ireo fihetsika fandrobàna sy fanararaotana ary fanapotehana fananan’olona.