ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FANABEAZAM-PIRENENA : Lohahevitra ny « L’IA et l’éducation : préserver l’autonomie dans un monde automatisé »

Ny 24 janoary no Andro Iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana. « L’IA et l’éducation : préserver l’autonomie dans un monde automatisé » no lohahevitra nankalazana izany tamin’ity taona ity. Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny teto Madagasikara. Manaporofo izany ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny « Unicef ». Izy ireo izay niara-namoaka ny valin’ny fanadihadiana tamin’ny tetikasa « Data Must Speak » izay notontosaina tamin’ireo sekoly modely miisa 60 manerana ny Nosy, tamin’ity fotoanan’ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazam-pirenena ity.

Ny « Data Must Speak » dia  tetikasa iray entina hanatontosana fikarohana mahakasika ny fomba fanao tsara miisa 25 eo amin’ny sehatry ny fanabeazana. Hahafahana manatsara ny kalitaon’ny fanabeazana eto Madagasikara izany. Tanjona ny hampahomby izany sehatry ny fanabeazana izany eto amintsika na efa hita aza ny vokatry ny vahaolana napetraka. Mbola nampiana fomba fanao vaovao toy ny fitantanana ny sekoly sy ny fomba fampianarana ny tontolon’ny sekoly ary ny fiaraha-miasa amin’ireo ray aman-dreny sy ny fiaraha-monina aza izany amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay dia fantatra fa nahomby ihany koa ny tetikasa noho ny fomba fiasa napetraka. Nomena fahalalana maneho hevitra tamin’ny alalan’ny fivoriana tsy tapaka ny mpitantana sy ny mpampianatra indrindra fa ny fiaraha-miasa eo amin’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra. Izy io izay nitondra vahaolana nahafahana nanitsy ny fomba fianarana ilain’ny mpianatra. Ny valin’ny fikarohana araka izany dia entina hampiharana amin’ny fomba fanao tsara any amin’ny sekoly hafa manerana ny Nosy.

Ity tetikasa « Data Must Speak » ity araka izany dia hahafahana manangana rafi-pampianarana matanjaka sy mifototra amin’ny filan’ny mpianatra na eo aza ireo fanamby iainan’ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara. Ny fanabeazana izay zava-dehibe mba hivezivezena amin’ny tontolo mandeha sy hitehirizana ny fahaleovan-tenan’ny olombelona ary hanomanana ny taranaka ho avy amin’ny fanamby ara-teknolojika. Anisany fitaovana mampihena ny tsy fitoviana ihany koa ny fanabeazana, araka ny fanambaran’ny « Unicef ».

Vous aimerez aussi