“Fitiliana, dingana voalohan’ny fitsaboana” no lohahevitra nentina nankalazana ny Andro Manerantany ho an’ny Fijininihan-dra lava na ny “Hémophilie”, tamin’ity taona ity. Anisan’ireo firenena nanamarika izany isika teto Madagasikara, ny zoma 17 aprily 2026, teny amin’ny hopitaly HUJRA Ampefiloha. Tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny Ivontoeram-pitsaboana ny “Hemophilie” ary ny “Association pour le Bien-Être des Hémophiles à Madagascar” na ny AEBHM nanatontosa izany. Tsy misy ny fitsaboana azo tanterahana raha tsy voatily sy tsy voamarina fa mitondra ny raki-toetra mijininika ra lava ny olona iray. Antony nanompanana io lohahevitra io.
Manodidina ny 200 ny isan’ireo olona voamarina fa mijininika ra lava ankehitriny. Olona iray amin’ny iray alina mantsy no tahan’ny mijininika ra, amin’izao fotoana izao. Maherin’ny 3.000 araka izany ny isan’ireo marary mbola tsy nahazo fitsaboana. Misy karazany roa ny finjininihan-dra lava. Eo aloha ny finjininihan-dra lava A na ny tsy fahampian’ny singa fampivainganan-dra fahavalo. Ankoatra izay ny finjininihan-dra lava na ny tsy fahampian’ny singa fahasivy. Ny lehilahy no marary voakasiky ny finjininihan-dra lava raha toa ka mitondra ny raki-toetra marary ka mampita izany amin’ny zanany ny vehivavy. Endrika isehoan’ny aretina finjininihan-dra lava ny ra ela vao mijanona, ny mahamora mangana, ny vanin-taolana mivonto sy manaintaina, ny mandeha ra matetika na ho an’ny ankizy na ho an’ny olon-dehibe ary na lahy na vavy. Fitiliana sy Diabe araka izany no nankalazan’ny mpikarakara ny hetsika, tamin’ity Andro Manerantany ho an’ny finjininihan-dra lava ity raha ho antsika teto Madagasikara, araka ny fanazavana voaray.


