Tsara ambina ary tsy azo ivezivezena ny eny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza, taorian’ny fanambaran’ny Talen’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Rahajason Harry Laurent, fa hisy hikasa handoro, ny Sabotsy ho avy izao. Efa misy ankehitriny ny filazana fizarana vola eny Ambohipo sy eny Ankatso ho entina amin’ny fanomanana hanatanterahana izany, araka ny famantarana mialoha ao amin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Nandray andraikitra avy hatrany araka izany ireo isa-tsokajiny manoloana ny zava-misy. Manao antso mba hitandreman’ny tsirairay. Ny sabotsy ho avy izao no nanambara ny avy ao amin’ireo Gen Z fa hihazo Ambohijatovo ka hidina ho eny amin’ny 13 may avy eo mba haneho hevitra. Andrasana araka izany izay mety ho tohiny.


