ANTOKO MONIMA : Efa mipetraka ny fanovana fa mankaiza ny lalana aleha...

Na inona na inona asan’ny Governemanta rehefa tsy mazava ny lalana aleha dia ho sahirana ilay Governemanta. Tsilovy ny lalana aleha mba hazava amin’ny rehetra ny hizorana manomboka izao. Efa mipetraka ny fanovana notakiana fa ilay lalana izorana ankehitriny mihitsy no mankaiza? Izay no andrasan’ny olom-pirenena indrindra fa ny tanora. Na izany aza anefa dia tsy azo apetraka amin’ny olon-tokana ny famahana ny olana fa tokony samy hitondra ny anjara birikiny ny tsirairay. Rehefa mazava ny lalana aleha dia aravona ny hevitra satria izay no mitondra antsika any amin’ny fampandrosoana. Io no ampahany tamin’ny fanazavan’ny Filoha nasionalin’ny Antoko Monima, Roindefo Monja Zafitsimivalo, raha nanontaniana mahakasika ny raharaham-pirenena ankehitriny ny tenany. Ny toe-draharaha politika eto Madagasikara izay mbola misafotofoto be ihany na vao nahazo Governemanta vaovao aza isika.

Vous aimerez aussi