BEN’NY TANÀNA RAMPARAOELINA RADO : Diso ny filazàna fa mahatonga tondran-drano ny fanotorana tany

Tontosa soa aman-tsara ny 31 janoary 2025, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Ben’ny tanàna mpisolo toerana sy ny Ben’ny tanàna voafidy teny amin’ny Kaominina Ampitatafika, Ramparaoelina Rado. Nivoitra tamin’ny fifamindram-pahefana ny fanamafisan’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Ampitatafika, Ramparaoelina Rado, fa hiompana amin’ny teboka maro samihafa indray ny fomba hitantanany ny tanàna ao anatin’izao dimy taona manaraka izao.

Hisongadina amin’izao fe-potoam-piasany izao mantsy ny fanatsarana eo amin’ny lafiny maro. Eo ihany koa ny fikarohana indray mpiara-miombon’antoka hiara-hanatanteraka ireo tetikasa ka anisan’izany ny fampiasana angovo maitso izay fanamby goavana napetrany. Ny fotodrafitrasa izay zava-dehibe apetraka ho an’ny vahoaka sy entina hampandrosoana ny tanàna. Ny eny Ampitatafika izay anisan’ireo kaominina mbola tsy voailikin’ny fitondram-panjakana rahateo nandritra izay fe-potoam-piasana intelo nifandimbin’ny Ben’ny tanàna Ramparaoelina Rado izay fa akaiky azy na eo aza ny loko politika. Ankoatra ireo dia nasongadin’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Ampitatafika, Ramparaoelina Rado, fa “ara-dalàna ny fanotorana tany eny amin’ny kaominina Ampitatafika araka ny didim-panjakana 372-2018 tamin’ny andron’ny filoha Rajaonarimampianina Hery. Diso araka izany ny filazàna fa mahatonga ny tondran-drano eny an-toerana ny fanotorana tany. Arakaraky ny hisian’ny fanotofana tany no ahafahana mahafehy ny rano ho an’ny tantsaha.”

Vous aimerez aussi