Mijaly ny vahoaka ety Besarety ety fa tsy misy manala intsony ny fako. Maimbo ny tanàna no tsentsina ny làkan-drano.
Ny mahavariana dia rehefa miantso vahoaka hitolona ireny vao hita ny Fokontany manarama olona hanadio ny tatatra. Ny Kaominina moa tsy miasa hatrizay.
Ankoatran’izay, dia maizina tanteraka ireny Fokontany ireny, indrindra fa eny Antsahakely. Sahirana ireo mpanao andrimasom-pokonolona no sady matahotra hiasa ao anaty haizina. Fa ahoana e? Tokony mba hirehitra ihany ireo jiro amin’ny làlana fa tsy ifankahitana.
Marina fa mikorontana ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao, fa mba jerena ihany ny fahadiovana sy ny fandriampahalemana.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

