BOKY « NOS AMES ETERNELLES » Manasongadina ny fisian’ny herin’Andriamanitra sy mampitraka

I Paule Sophie no nanoratra ny boky « Nos âmes éternelles » Ny namoizany ny Rainy izay nindaosin’ny fahafatesana niteraka ratram-po lehibe sy fahabangan-toerana goavana teo amin’ny fiainany no nampikorisa ny penin’i Paule Sophie ka niafara tamin’ny famoahany ny boky.

Asongadiny sy avoitrany anatin’ny « Nos âmes eternelles » ny fisian’ny fiasan’ny herin’Andriamanitra manoloana ny olana amin’ny endrika sakana heverin’ny Olombelona fa goavana sy tsy  dinganina. Azo ambara ihany koa anatin’ny « Nos âmes éternelles » fa mizara fampaherezana hatrany ho an’ireo mpiara-belona aminy tojo sakana na misedra fisarahana aman-tany noho ny fahafatesana i Paule Sophie. Tsy misalasala izy manambara fa antoky ny fahombiazana ary ahafahana mihoitra mandrakariva amin’ny onjam-piainana amin’ny endriny marolafy ny fananana finoana matanjaka sy ny fametrahana mandrakariva ao am-po sy fanahy ary saina fa tsy miady irery akory Ianao miatrika ny fiainana fandalovana fa eo mandrakariva ilay tana maherin’Andriamanitra miaro sy miahy ny Zanak’Olombelona. Mazava ny voarakitra anatin’ny boky fa « ny fahafatesana no fiandohan’ny fianana mandrakizay ». Tsy tokony hampatahotra, araka ziany, ny fiatrehana azy fa vao mainka aza hanamafy ny finoana an’Andriamanitra izany. « Fiainana mandrakizay » midika ho fiverenana ao an-tranon-dRay, izay nahary Anao.

Nanosika an’i Paule Sophie nanoratra ny boky « Nos âmes éternelles » ihany koa ny ahafahany mizara fa tokony hanana fomba fijery miabo hatrany ny Olombelona manoloana ny fiatrehana ny fiainana na eo aza ireo « hovitra » mitondra angovo miiba. Azo hakana lesona ho amin’ny fahatsarana sy ny fanatsarana ny fiainana ny tranga heverina ho « ratsy », hoy izy. Fanomezan-dehibe sy sarobidy eo amin’ny fiainana ny nahavitana nandingana ireo sakana maro be miaraka amin’ny finoana an’Andriamanitra. Manana drafitra efa maty paika hitondrana sy hiahiana ny fiainan’ny Olombelona tsirairay Andriamanitra, anjarantsika, araka izany, no mifikitra aminy sy manamafy hatrany ny finoana azy mba ho eo ambany fiahian’ny tana maheriny mandrakariva isika. Tsy ampy ny miantehitra amin’ny herin’ny tena manokana fa mila mandrakariva ny fiarahana amin’ilay Nahary tongotra aman-tanana izany mba tsy ho trotraka na ho kivy eo ampiatrehana ireo olam-piainana. Miahy sy mivimbina antsika mandrakariva tokoa mantsy izy mba tsy ho resy an’ady ny tsirairay. Tsy namihina ho azy samy irery ny onjan’ny fiainana mafy nosedrainy i Paule Sophie fa miezaka mizara izany ho an’ny mpiara-belona tsy ankanavaka mba hanatsoahana lesona ho toy ny vatsy sarobidy hahafahana migoka fandresena amin’ny ady rehetra hatrehana eto an-tany fandalovana.

Vous aimerez aussi