Mihazakazaka ny fanatanterahana ireo asa fanorenana, fanatsarana ary fanavaozana eo anivon’ny CEG Soamanandrariny ankehitriny. Ampahany amin’ireny ny fampidirana miandalana ny fampiasana ny « numérique » eo anivon’ny sekoly, ho fanamorana ny fampitana ny fampianarana, toy ny eo amin’ny taranja SVT, Matematika, Tantara sy Jeografia.
Mitohy hatrany ihany koa ny fanolorana fiofanana ho an’ireo mpampianatra miisa 30 mifandrimbona amin’ny fanatanterahana ny asa masin’ny fanabeazana. Anisan’ny asa goavana eo am-panatontosana azy koa ankehitriny ny fanorenana kianja fanaovana fanatanjahatena marolafy « « Terrain omnisport » izay ahafahana milalao ny baolina kitra, basket-ball ary ny volley-ball. Tsy ho ela ny fanavaozana ireo efitrano fianarana mila izany. Ireo rehetra ireo no atao, hoy Rakotondratsimba Fenomanana Tsilavina Luc, Talen’ny sekoly amperinasa ankehitriny, dia ny hahafahana mampiakatra sy manatsara hatrany ny kalitaon’ny fampianarana sy fanabeazana omena ireo Zaza malagasy manovo izany eo anivon’ny CEG Soamanandrariny. Marihana fa ny taona 2006 no niorina ity toeram-panabeazana ity. Hita soritra amin’ny voka-panadinana BEPC farany teo izay nahatratra 86 isan-jato ny taham-pahafahana fa azo atao tsara ny mahita fahombiazana rehefa mangarahara ny lafiny fitantanana ary hentitra amin’ny fampiharana ny fitsipi-pifehezana ireo mpisehatra amin’ny lafiny fanabeazana sy fampianarana eo anivon’ny sekoly. Hetahetan’ireo mpampianatra sy mpandraharaha misehatra amin’ny tontolon’ny fampianarana ankehitriny ny hitondrana fanitsiana amin’ireo « fandrisika » toy ny karama, sns omena azy ireo izay hita fa tsy mifanatsahana akory amin’ny fisongan’ny vidim-piainana misy. Ny fanabeazana tokoa mantsy no antoky ny hampamiratra ny hoavin’ny firenena iray noho izy seham-pamolavolana ho Olom-banona. Inoana fa hihaino izany ny fanjakana foibe sy ny Minisitera miahy ny fanabeazana. « Ho tanteraka tokoa anie izany … »
![](https://www.agencemalagasydepresse.com/media/2019/10/initial-amp.png)