Ny taona 2006 no niorina ny CEG Soamanandrariny. Ankehitriny, mananika ny 834 ireo mpianatra manovo fahalalana ombam-pahendrena eny an-toerana. Rakotondratsimba Fenomanana Tsilavina Luc, no Tale mitantana azy ankehitriny. Ity farany izay azo ambara fa tsy atoro voanjo hadiana amin’ny tontolon’ny fampianarana noho ireo traikefa sy haizatra matevina miampy ireo marim-pahaizana ananany eo amin’ny sehatry ny fanabeazana amin’ny ankapobeny.
Ankoatry ny fanatsarana ny foto-drafitrasa hita maso toy ny fanavaozana ny tranom-boky sy ny ho fandrakofana vatokely tsy ho ela ny tokontanin-tsekoly ary ny fananganana efitrano voatokana ho an’ireo mpampianatra sy ny firosoana amin’ny fananganana ny tranom-boky nomerika dia tsy natao ho ambanin-javatra ihany koa fa nitondrana fanavaozana sy fanatsarana ny lafiny fomba fiasa (Fitantanan-draharaha sy ny fampianarana) eo anivon’ny CEG Soamanandrariny. Anisan’izany ny fanamafisana ny fitsipi-pifehezana eo amin’ny samy mpiara-miasa sy ireo mpianatra eo anivon’ny CEG Soamanandrariny, hoy ny Tale Ramose Tsila.
Nisy, araka izany, ny fanomezana fiofanana ireo mpanabe. Anisan’ny fanamby goavam-be napetraka ihany koa ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pedagojika omena ireo mpianatra eny an-toerana. Miara-dalana amin’izany ihany koa ny fampiakarana ny lentan’ny fahaizan’ireo mpianatra izay tsikaritra fa somary ambany ihany izany amin’ny ankapobeny. Misy, araka izany, ny fanolorana fampianarana fanampiny maimaimpoana ho an’ireo mpianatra. Miara-misalahy mandrakariva amin’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra ny sekoly ho amin’ny fanatanterahana ireo rehetra ireo, hoy hatrany Rakotondratsimba Fenomanana Tsilavina Luc amin’ny alalan’ny fanatanterahana fivoriam-be eo amin’ny roa tonta. Ankoatra ireo, manana fiaraha-miasa matotra amin’ny Lisea Frantsay ho amin’ny fanatsarana ny fanabeazana amin’ny ankapobeny sy ny sehatry ny fampianarana teny vahiny ihany koa ny CEG Soamanandrariny. Tsy nohadinoin’ireo mpitantana ny sekoly ny lafiny fibeazana ara-batana amin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo lalao ara-panatanjahatena andraisan’ireo mpampianatra, mpianatra ary sekoly ivelany anjara. Tanjona ny hanamafisana mandrakariva ny firaisankina sy hisian’ny fifanakalozana ho amin’ny fikatsahana hatrany ny tombontsoa iombonana.
