“CHE BEL CANTO 2.0” : Mpanakanto miisa 6 no hisantatra izany

Ny alahady 15 febroary 2026 ao amin’ny “Palais des Sports” Mahamasina no hanombohana ny “Che Bel Canto 2.0” amin’ity taona ity. Tovo J’hay miampy ireo mpanakanto andriambavilanitra malaza miisa dimy dia i Johane, Ayam, Tosy sy Nanie ary Malala ‘Zay no hisantatra izany. Haharitra 3 ora sy 15 minitra ity fampisehoana izay karakarain’ny “Phénix Agency” ity. Hisy ny fandrindrana sy fandaminana ka antenaina fa samy ny anjarany ny rehetra amin’io andro io. Fampisehoana hitondran’ny mpikarakara ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’izy ireo ara-javakanto ny “Che Bel Canto 2.0 “. Entina ihany koa hanasongadinana ny feo kanto avo lenta sy tsara kalitao.

Hisy ny fiarahana mihira eo amin’ireto mpanakanto ireto ankoatry ny fihiran’ny mpanakanto tsirairay ny hirany na ihany koa hihirany ny vazon’ny mpankanto hafa. Hafaliana ho an’i Tovo J’hay ny hiaka-tsehatra indray amin’izany “Che Bel Canto” izany indrindra fa niorina indray ny ” Che Bel Canto 2.0″. Izy rahateo ihany koa no nisantatra ny “Che Bel Canto ” andiany voalohany. Tamin’ny taona 2003 izany ka ny “Media Consulting” no nikarakara ny fampisehoana tamin’izany fotoana izany. Voninahitra ho an’ireo andriambavilanitra miisa dimy ireo ny fandraisana anjara amin’ny ny “Che Bel Canto 2.0 “. Hanome ny tsara indrindra any amin’izy ireo avy araka izany izy ireo, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi