Lehilahy roa, samy 57 taona ary samy eto Antananarivo indray no voatily fa voan’ny tsimokaretina coronavirus tamin’ity andro ity. Araka izany, dia efa tsaboina eny amin’ny hopitalin’ Anosiala sy Befelatanana izy ireo.
Mitontaly 108, araka izany, ny tontalin’ireo efa sy voan’ity otrikaretina ity eto amintsika. Miisa 23 kosa ny tontalin’ireo sitrana rehetra.
Noho izany, 85 sisa ireo tsaboina eny anivon’ny tobim-pahasalamana, izay soritana fa tsy misy marary manana fahasarotana. Izany hoe tsy misy ny marary mafy.
Efa eny amin’ny fiaraha-monina ny otrikaretina
Araka ny voamarina dia voalaza fa noho ny fifampikasohana no nahavoa ireto roalahy vaovao ireto. Voaporofo avy amin’izany fa efa eny anivon’ny fiaraha-monina eny ny valanaretina ka efa afaka mamindra amin’ny olona rehetra.
Afaka mamitaka tokoa ity otrikaretina ity satria jerena ety ivelany fa salama ny olona mitondra azy kanefa efa ao aminy ilay izy.
Raha nijanona an-trano, noho izany, io olona io dia azo antoka fa tsy nahazo ilay tsimokaretina ary tsy namindra tamin’ny hafa ihany koa.
Koa entanina hatrany ny rehetra mba hihiboka e ! Io no fomba haingana indrindra hahafahana miala amin’ity fihibohana ity !
