Miisa 2 indray ireo lavon’ny tsimokaretina coronavirus, araka ny fanambarana ofisialy androany. Araka izany dia mitontaly 20 ny isan’ireo namoy aina hatrizay.
Nahitana olona 60 vaovao kosa no mitondra ny tsimok’aretina, ka 49 eto Antananarivo ary 11 ao Moramanga. 2 138 izany ny isan’ireo voa hatramin’izay.
22 kosa ny isan’ny olona sitrana androany, ka 13 teto Antananarivo, ny 9 tao Toamasina. Mahatratra 966 izany ny isan’izy ireo hatrizay.
1152 ireo mbola manaraka fitsaboana, ka 48 ireo manana toe-pahasalamana ahiana.
21 444 ny totalin’ny fitilina vita hatrizay.
Mitotaly 20 kosa ny maty hatreto.
Mila hentitra
Miha mitombo hatrany ny isan’ny marary, ny maty, ny olona voa. Tsotra ny fanamarihana : miha goragora ny fitandremana raisin’ny tsirairay.
Hentitra, noho izany, ny Fitondrana tamin’ity andro ity. Nampanara-dalàna ireo tsy mahatsiaro tena ny Polisim-pirenena, teto Antananarivo Renivohitra. Nisy, araka izany, ny fiara taxibe miisa 28 naiditra « fourrière » sy ny mpamily miisa 58 nampidirina « violon », satria tsy nanaraka ny fepetra tokony ho natao.
Mila mahatsiaro tena koa anefa ny tsirairay satria tombontsoantsika mianakavy ny fanarahana ny fiarovana samihafa.