45 indray no isan’ny tranga vaovao androany, araka ny fampitam-baovao ofisialy. Tamin’ny fitiliana miisa 390, izay nataon’ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM) sy ny Centre d’Infectilogie Charles Mérieux (CICM) no nahazoana io isa io. Miisa 371, araka izany ny tontalin’ny voa ity valanaretina coronavirus ity hatrizay, teto amintsika.
Nahitana fahasitranana miisa 12 kosa androany, ka samy 1 avy ny tany Toliara sy Fianarantsoa ary samy miisa 5 kosa ny tany Toamasina sy teto Antananarivo.
Miisa 131, noho izany, ireo sitrana rehetra hatrizay.
Mitontaly 238 kosa ireo mbola tsaboina, izay tsy nahitana toe-pahasalamana atahorana loatra.
Mila firaisankina
Tsapa fa miha-mitombo hatrany ny isan’ny olona voan’ity areti-mandoza ity eto amintsika ary miha-mihanaka amin’ny faritra samihafa koa izany.
Tahaka ny ady rehetra mila atrehina anefa dia zava-dehibe ny fananana firaisankina, satria diso fantatra loatra fa izany no hery.
Ny firaisan’ny rehetra miaro tena no voalohany indrindra amin’izany satria miara-miady isika. Tokony hahay hifanoro sy hifananatra am-pitiavana koa ny olona, amin’ny fihetsika rehetra atao.
Manoloana ny tranga rehetra koa anefa dia tsara ny maka fitoniana tanteraka.
