CORONAVIRUS 93 ny tranga vaovao, 39 no sitrana

93 ny isan’ny tranga vaovao voatily tamin’ity andro ity, tamin’ny fitiliana miisa 286. Anisan’ny nisian’izany teto Antananarivo, Toamasina, Sainte Marie, Fenoarivo Atsinanana,… izay tsy voasoritra mazava ny toerana nisy. Miisa 1922 izany totalin’ireo voa hatrizay.

Miisa 39 kosa ireo sitrana androany, izay mitontaly 862 ny isan’izy rehetra.

1 045 ny isan’ireo mbola tsaboina ka ny 20 no manana toe-pahasalamana mananosarotra.

Mijanona ho 16 kosa ny isan’ireo lavo hatrizay.

Mitontaly 20 066 kosa ny isan’ireo fitiliana natao hatrizay.

Na mbola vitsy aza ny totalin’ireo fitiliana vita hatrizay dia azo lazaina fa betsaka ihany ny mitondra ny tsimokaretina.

Toa tsy vitan’ny Fanjakana indray ity ny hanenjika ny fitiliana ho 1.000 isan’andro kanefa izany no fototra hamehezana ity valanaretina ity.

Vous aimerez aussi