Hisy ny fizarana maimaimpoana ny tambavy Covid Organics eny anivon’ny Fokontany, satria manana adidy amin’izany ny Fitondram-panjakana. Anisan’ny fanambarana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izany io takariva io, nandritra ny famoahana sy fanolorana tamim-pomba ofisialy ny fanafody Covid Organics, fanefitry ny Coronavirus, teny Avarabohitra Itaosy, misy ny Foibe fikarohana naorin’ny Pr Rakoto Ratsimamanga (na ny IMRA).
Hisy ihany koa anefa ireo fanafody hamidy amin’ny vidiny mirary, izay ho hita tsy ho ela eny amin’ny Farmasia sy toeram-pivarotana lehibe samihafa, ka ny tombom-barotra rehetra avy amin’izany dia hatolotra ny IMRA , ahazoany manao sy manatsara hatrany ny fikarohana.
Marihina fa natao henti-miaro sy mitsabo ny otrikaretina Coronavirus ity fanafody novokarin’ny mpikaroka malagasy ity.

Ny arthémesia no akora fototra nenti-nanaovana ity tambavy ity, ary tsy amin’izao fotoana izao vao fantatra ny hasarobidiny fa efa 2000 taona lasa izay no nanasitranana ny tazomahery taminy.
Araka ny fikarohana dia fantatra fa manamafy ny hery fiarovana ny vatana ity Covid Organics ity, ka marary roa nanaiky notsaboina tamin’izany no sitrana soa aman-tsara. Mitohy, araka izany, ny fitsaboana ireo marary hafa ary tsikaritra fa mihatsara ny fahasalaman’izy ireo.
Efa vita andrana sy sedra ity tambavy ity, hoy ny Tale Jeneralin’ny IMRA, ny Dr. Charles Andrianjara.


