DOKOTERA AO AMIN'NY CHU-JRA AMPEFILOHA : Hanamafy ny "Service minimum"

Vontoatin’ny fanambaran’ireo dokotera mpiasam-panjakana ao amin’ny Hopitaly CHU-JRA Ampefiloha, ny alatsinainy 27 oktobra 2025, ny filazana fa hamafisin’izy ireo ny “Service minimum”. Ho feran’izy ireo ihany koa ny fandraisana ny marary ka ireo Vonjy taitra mihatra aman’aina na ny “Urgences vitales” ihany no ho raisina. Ahena ihany koa ny isan’ny marary afaka miditra hopitaly sy ny manao fitiliana (Laboratoara) ary ny fitarafana (Echographie, Radiographie…). Anton’ireo voalaza eo ambony ireo ny tsy fahampian’ny isan’ny mpiasa miasa eo anivon’ny hopitaly. Tsy nahitana vahaolana ihany koa anega ny fanambarana notontosain’izy ireo ny zoma 24 oktobra 2025. Tsy arak’ireo dokotera mpiasam-panjakana eo anivon’ny Hopitaly CHU-JRA ireo intsony araka izany ny fandraisana ny marary eo anivon’ity hopitaly ity. Manaitra ny fitondrana mahefa ireto dokotera mpiasam-panjakana ireto mba hiaraka hijery akaiky sy maika amin’izao toe-draharaha izao. Natao izao fanambarana izao mba hitadiavana vahaolana ho tombontsoan’ny marary sy mpiasa, araka ny fanazavana voaray, teny amin’ny Hopitaly CHU-JRA Ampefiloha, ny alatsinainy 27 oktobra 2025.

Vous aimerez aussi