Nahitsy ny fanehoan-kevitra nentin’ny Dr. Randriamahenina Fabrice, mpandinika fiarahamonina, mpitsabo manoloana ny fahantrana lalina iainan’ny firenena ankehitriny. Miainga amin’ny kolontsaina ny vahaolana natolony ho fialana malaky amin-dRafahantrana.
Mila mandray andraikitra anatin’ny sehatra misy azy ny isam-batan’olona ka hanatanteraka ilay hoe : « Soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra ny mpitondra sy ny vahoaka. Izay no fanoitra mahomby ahafahana miala anatin’ny lavaka lalin’ny fahantrana iainan’ny Gasy ankehitriny, hoy ny Dr. Randriamahenina Fabrice.
Ny indro kely ho amin’ny fanatanterahana izany anefa dia efa nozarazarain’ny firehan-kevitra maro be toy ny politika, antokom-pinoana ny fianam-piaraha-monina misy antsika ankehitriny. Vokany, niteraka fisaraham-bazana, fiandrasana kendritohina, toe-tsaina tia kely ary teraka hatramin’ny fanamparam-pahefana amin’ny sehatra rehetra izany.
Mila manova toe-tsaina, araka izany, isika raha te hiala amin’ny fahantrana. Haverina ny fandalana ny fihavanana, ny fanajana ny hafa, tia mamokatra, mankafy ny fifandraisana (Serasera), toe-tsaina tia mikaroka, mamorona, manangona sy manangana. Raha ny isam-batan’olona no manana ireo toe-tsaina ireo ary miara-mientana, azo inoana sy antenaina fa hiova ho amin’ny fahatsarana kokoa ny fiainantsika.
Tsy ho mora anefa ny hamboly indray ireo toe-tsaina ireo eo amintsika fa mila paikady. Ny anarana fiantsoana ny firazanantsika no entina hanatanterahana izany sy hanairana ny hambom-po ao amin’ny tsirairay. Tsy iadian-kevitra tokoa mantsy fa ny soatoavin’ny Gasy dia mino tanteraka ny hasin’ny teny sy ny hery ananany. Maro amintsika no mety ho diso hevitra fa io teny tenenintsika isanandro vaky io dia tsy misy dikany. Aoka tsy ho hadinointsika mianakavy fa ireo teny rehetra aloakan’ny vavan’ny manam-panahy dia manan-kery eo amin’ny habaka (Tontolo) manodidina azy.
Tsy mety amin’ny Gasy manam-panahy, araka izany, ny fiantsoana azy hoe : « malgache ». Maro no efa mahazo ny dikan’ny hoe : « mal » eo anoloan’ny « gache ». Ampahany amin’ireo antony mahatonga ny fahantran’ny Gasy, araka izany, io fiheverana antsika mandraka ankehitriny ho « mal » io. Firenena azo ambara ho mpiondana sy mpandala ny teny frantsay isika. Ny ankamaroan’ireo firenen-dehibe ifandraisana amin’ny fifanakalozana ara-barotra anefa saika efa mampiasa ny teny anglisy avokoa. Sakana ho amin’ny fampandrosoana ny toe-karena, araka izany, ny tsy fahaizantsika mifehy ny teny vahiny ankoatry ny teny frantsay.
Ny fahenoana miverimberina ilay voambolana hoe « mal »dia miafara hatrany am-parahatoky ny tsirairay ary indrisy fa mibaiko ankolaka ho « mal » ny fandrenesana izany isan’ora sy isa-minitra ka ekenao.
Mila hovaina ny anarana « malgache » ary angatahana amin’ireo fahefana mahefa isan’ambaratonga ny fanatanterahana izany. Mety misy ny alaim-panahy ka hihevitra fa kely sy bitika iznay saingy araka ny efa voambara tetsy aloha dia manana ny heriny sy ny hasiny ny teny. Fahantrana sy fahasahiranana hatrany no nentin’ity fiantsoana antsika ity hatramin’izay. Tolokevitry ny Dr. Randriamahenina Fabrice, araka izany, ny hampiasana ny anarana hoe : « Gasitsara ». Anarana izay hivimbina ny soa, ny fanambinana ary ny endrim-pahatsarana amin’ny lafiny rehetra. Anarana hifampitaomana ihany koa hanao ny soa mandrakariva. Raha tanteraka izany, « Ho sambatra sy ho finaritra tokoa ity tanindrazana malalantsika ity ! ». Saino sy diniho !
