DR TSIALEFISON BERTIN : Kandida any amin'ny faritra Fitovinany

Anisan’ireo kandida nirotsaka ho fidiana ho Governoran’ny Faritra Fitovinany ny Dr Tsialefison Bertin. Izy izay nahafeno fepetra ka nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana, ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny Minisiteran’ny Atitany eny Anosy. Vonona ny hitondra anjara biriky any amin’ny faritra nihaviany araka izany ny Dr Tsialefison Bertin.

Anton’izao mahakandida ho lehiben’ny faritra azy izao. Ity kandida ity sy ny mpiara-miasa aminy izay efa ela no niomana ho amin’izay drafitra famolavolana ny fampandrosoana any amin’ny faritra Fitovinany izay. Paikady maro araka izany no entiny hananganana ny fomba fijery vaovao ho an’ny faritra Vitovinany. Ny faritra nihaviany izay misedra olana tanteraka hatramin’izay ka hatramin’izao noho ny tsy fisian’ny fitantanana mato-paika.

Faritra anisany tena mamokatra anefa ny any Fitovinany. Ity zanaky ny faritra Fitovinany ity izay hikatsaka ny mangarahara amin’ny alalan’ny fitantanana madio. Laharam-pahamehana ho an’ny Dr Tsialefison Bertin araka izany ny fijerena ny fanamboarana ireo lalana ratsy izay mampitohy ireo kaominîna maro samihafa mandrafitra ny distrika sy ny faritra. Eo ihany koa ny fiompanana amin’ny jiro izay entina hanazava ny tanàna. Ny fametrahana ho voalohan-daharana ny rano fisotro madio. Tsy latsa-danja amin’ireo ny hijerena ny asa mahavelona eo amin’ireo tanora. Ny mba hampahomby ny fambolena sy ny fiompiana. Ny fanavaozana ny jono an-dranomamy sy an-dranomasina izay hanangana ny “chambre frigorifique”.

Izao fotoana izao no fanavaozana ka tokony hijoroana. Hanolo-tena aho fa fadiranovana loatra ny Faritra nihaviako, araka ny fanazavan’ny kandida ho Governora any amin’ny faritra Fitovinany, ny Dr Tsialefison Bertin. Ny zoma lasa teo, teny amin’ny Minisiteran’ny Atitany Anosy; no nifaranan’ny fametrahana antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho Lehiben’ny Faritra, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi