Nahavariana sy nahatalanjona ny mponin’Ambohimangakely ny nahafantatra fa nisy soa aman-tsara ny fotoam-pivavahana notanterahana, tao amin’ny fiangonana Anglikana Santa Jaona Ambohimangakely, ny andron’ny Alakamisy masina sy ny ny alahadin’ny Paska teo. Iaraha-mahafantatra anefa fa mbola ao anatin’ny vanimpotoanan’ny fihibohana tanteraka ny Malagasy noho ny valanaretina covid- 19. Voarara, araka izany, ny famorian’olona amin’ny toerana iray.
Natao nangingina
Toromarika nomen’ireo mpitantana sy tomponandraikitra eo anivon’ity fiangonana ity ireo mpivavaka ny handehanana tsirairay rehefa mihazo ny trano fiangonana fa tsy hanao rodobe. Noezahana natao somary ambany ihany koa ny firedonana ireo hira tao am-piangonana tsy hanaitra ny manodidina.
Ny fiangonana izay tokony ho filamatra sy fitaratra ho amin’ny fanajana ny lalàna sy ho mpanabe indray, araka izany, no namalan-kira sy nanome ohatra ratsy raha ity tranga nisy teo anivon’ny fiangonana Santa Jaona Ambohimangakely ity. Manao antso avo ho an’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny hanamafy hatrany ny fanaraha-maso ny fampiharana ny fepetra fihibohana mba hitera-bokatsoa tokoa ho an’ny besinimaro ny fanatanterahana izany fa tsy sanatria ho very anjavony noho ny tsy fanarahan-dalana ataon’ny sasany.
