Tafo fanitso miisa 100, loko anaty boaty miisa 10, “table- banc” miisa100, “kits scolaires” miisa 60, ireo no fitaovana natolotry ny Filohan’ny Fanavaozana mivady, ny EPP Besakoa-Toliara, ny alatsinainy 20 aprily 2026. Tanjona ny hanatsarana ny tontolon’ny fampianarana sy ho fanampiana ireo sekoly. Ankoatra ireo dia noraisin’ny Fitondram-panjakana ho mpiasam-panjakana avokoa ireo mpampianatra miisa 24 mianadahy ao amin’ity EPP Besakoa-Toliara ity. Nambaran’ny Filoha Randrianirina Michaël, fa tao amin’ny EPP Besakoa izy no nianatra sy nahazo ny mari-pahaizana CEPE. Rariny raha miverina mitsidika izany sekoly nianarany izany, ny tenany, hoy izy.
“(…) Mampalahelo ny fotodrafitrasa ary mila fanavaozana ny sekoly satria dia potika tanteraka sy rava …”, hoy hatrany ny filoha. Ny taona 1955 no nanorenana ny Sekoly ambaratonga fototra na ny EPP any Besakoa- Toliara. Ankehitriny dia 1012 ny isan’ny ankizy mpianatra ao an-toerana izay mitsinjara amin’ireo efitrano miisa 12.
24 ireo mpampianatra FRAM. Nitsidika ity sekoly ity ny Filohan’ny Fanavaozana mivady, niaraka tamin’ny Mpanolotsaina Avo. Nanotrona azy ireo tamin’izany ihany koa ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Tsy ny EPP Besakoa-Toliara ihany no nampisitrahan’ny filoham-panjakana mivady fampitaovana fa nisy ihany koa ireo sekoly hafa toy ny any EPP Morafeno sy CEG ary ny Lycée Antaninarenina, araka ny fanazavana voaray.


