Saika mirona amin’ny fanatanterahana ny asa fitaterana amin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovam-pitaterana ananany avokoa ankehitriny ireo very asa teny anivon’ireo orinasa afakaba sy tsy miankina. Vokany, mirongatra aoka izany ny fisian’ireo taxi-moto,ny sarety, bisikileta izay samy mitatitra olona eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Tsy ara-dalàna sady hitera-doza
Manoloana ny fisian’ireo sokajin’olona tsy matihanina misehatra ao anatin’ny fitaterana, nazava ny fanambarana avy eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fitaterana eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Tsy ara-dalàna ary azo ampiharina amin’ireo mpanao taxi-moto, sarety ary bisikilety mitatitra olona ny sazy manandrify ny fandikan-dalàna izay ataon’izy ireo.
Tsy marim-pototra, araka izany, ny fangatahan’ireo mpanao taxi-moto ny hanomezana alalana azy ireo hiasa ao anatin’ny sehatra ara-dalàna. Hataka izay mifanohitra tanteraka amin’ny voarakitra amin’ireo andinin-dalàna mifehy ny asa fitaterana eto Madagasikara.
Ankoatra ny tsy maha ara-dalàna ny fisian’ireo kodiaran-droa, sarety manatanteraka asa fitateran’olona eto an-drenivohitra dia hahiana hampitombo ny lozam-pifamoivoizana ihany koa ny fisian’izy ireny. Anisan’ny antony hampitombo ny tsy firindran’ny fifamoivoizna izay hiteraka fitohanana lavareny ihany koa ny fisian’ireo mpitatitra tsy ara-dalàna noho izy ireny tsy manaja akory ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana fa manao izay saim-pantany hatrany.
Mila fandraisana andraikitra ny tarehin-javatra tahaka izao hisorohana ny gaboraraka sy ny « mandeha ny mandeha » izay tsy hitera-bokatsoa ho antsika mianakavy na oviana na oviana. Ekena fa samy sahirana fa mila hapetraka mandrakariva kosa ny fanajana ny fitsipi-pifehezana sy ny fanarahana ny lalàna voasoratra.
