FAMPIROBOROBOANA NY TEATRA Novelarina ny « Rallye mois Théâtre »

Tafiditra ao anatin’ny andiany fahatelo ny « Rallye mois Théâtre ». Hivelatra bebe kokoa noho ireo andiany roa teo aloha ity hotontosaina manomboka ny 7 marsa izao ity, raha ny fanazavan’i Fela Razafiarison-Josoa, mpandrindra eo anivon’ny Compagnie Miangaly Théâtre, izay mpanajary ny « Rallye mois Théâtre »…

Hivelatra kokoa

Anisan’ny fivelarana ho hita amin’izany ny fanomezana sehatra sy lanja ireo tanora. Ny 8 marsa, hilalao ny « Sambany » ireo tanora lahy sy vavy, mpianatry ny Lycée Joseph Ravoahangy Andrianavalona, eny Andranonahoatra Itaosy. «Efa zava-dehibe ny finiavan-dry zareo hilalao teatra ka izay no anisan’ny antony nitsongana azy ireto », hoy hatrany i Fela Razafiarison-Josoa. Hitohy amin’ny « Lecture des novices », ny 28 marsa izao ny fandaharam-potoana.

Fivelarana faharoa ny fisian’ny « Voies d’artistes » na ny « Lalan’ny mpanakanto ». hotontosaina ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny 25 marsa izao. « Tafatafa sy fifanakalozan-kevitra amin’ny fomba arindra izy ity », hoy ny mpandrindra eo anivon’ny Compagnie Miangaly Théâtre. « Ireo mpikambana sy ireo efa nandalo tao amin’ny Compagnie Miangaly Théâtre no hamaly ny fanontaniana amin’io fotoana io », hoy hatrany i Fela Razafiarison-Josoa. Tanjona ny hampahafantatra ny asan’ny mpanakanto sy ny tontolo iainan’izy ireo ». Anisan’ny fanontaniana hovaliana ny hoe : inona ny atao hoe mpanakanto ?

Fivelarana fahatelo, ny seho hotontosain’ny Compagnie Miangaly Théâtre, mandritra ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny teatra », ny 27 marsa izao. Hisy mpanao “slam” hilalao an-tsehatra ka hanana endrika teatra izany. Hisy ny mpandihy nasaina hiaraka hiasa hanatontosa fampisehona tsy ampozina. Haharitra iray volana katroka ny “Rallye mois Théâtre” andiany fahatelo.

Inoana fa sehatra iray ahafahana mampivelatra kokoa ny teatra eto Madagasikara ny tahaka izao. Indrisy anefa fa ny habaka manara-penitra hilalaovana ny tantara tsangana “teatra” aza anie ka tsy misy akory eto an-tanàna e! 

Vous aimerez aussi