Isan’andro dia manadio ny manodidina ny Fokontany. Ety Antsahakely-Besarety dia misy toe-javatra mihoatran’ ny maha-olona ny asan’ny olombelona.
Manadio ny tàtatra handehanan’ny rano maloto ny Fokontany ary ireo loto ireo dia avy amin’ny daba fanariam-pako sy zaoridira amin’ny sisin’arabe izay mivarina ao an-tàtatra ihany. Sao dia tsy rariny intsony kosa ? Ny mpiasan’ny Fokontany avy eo manala ny fako.
Maimbo ny tanàna, mazava ho azy noho ireo fako mihangona eo amin’ny arabe eo dia mivarina ao amin’ny tàtatra. Tsy azo afindra ve anefa io daban’ny Kaominina io fa tena tsy mety intsony ? Ry ‘zareo koa tsy manala fako matetika fa avela hihoatra miparitaka eny an-dàlana vao misy manàla.
Tsy rariny kosa raha ny mpiasan’ny Fokontany no ihangonan’ny riaka atao’n’ny Kaominina. Mba hamboary Tompoko ary ireo lalan-drano ireo ry Kaominina fa ireo ange no mahatonga ny tondra-drano ety ambany tanàna ety e.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

