FANALIKANA NY FILOHAN'NY FANAVAOZANA : Nampiaka-peo ny Zanak'androy

Nampiaka-peo ka mitaky ny handraisana fepetra ny pejy Facebook “Mada libre” ny Zanak’Androy. Ity pejy ity izay namoaka sary nanohatra ny Filohan’ny Fanavaozana, Michael Randrianirina amin’ny alika. Olobe eto amin’ny firenena izay Raiamandrenin’ny Malagasy ny Filohan’ny Fanavaozana ka nahoana no zimbazimbaina tahaka ireny izy sy ny maha olona azy. Mangataka fifonana ampahibemaso amin’ny pejy Facebook “Mada libre” araka izany ny Zanak’Androy. Ny Zanak’androy izay sarotiny amin’ny maha Antandroy azy ireo. Ny Filohan’ny Fanavaozana izay avy any atsimon’ny Nosy. Antony hitsanganan’ny Terak’Androy manoloana ny fanivaivana azy. Fanambarana ara-drazana ihany no tontosain’ny Zanak’androy noho izahay mametraka ny kolontsaina malagasy ho ambony. Manasongadina ihany koa ny soatoavina. Noho izany tsy manao fanambarana ara-politika izahay, hoy hatrany ny fanazavana voaray, tamin’ny Zanak’androy, raha nanao fanambarana ny fanoharana ny Filohan’ny Fanavaozana amin’ny alika, izy ireo, teny Ambohidahy.

Vous aimerez aussi