Ho fanampiana sy fanaimavanana ny fahasahiranan’ireo fianakaviana nidonam-pahoriana noho ny famoizana havana ary koa ho fanatanterahana ara-bakiteny ilay fomba fiteny hoe : « Tsara levenana ny Maty ary heni-kaja ny Velona » ho famoronana asa ho an’ireo mpiara-belona. Ireo mitambatra no antom-pisian’ny Maison funéraire « Henikaja » niorina ny taona 2018, eny, Ambohimangakely.
Ny Maison funéraire « Henikaja », tanàna iray natokana sy namboarina manokana handraisana ny razana sy ireo fianakaviana. Tomombana sy feno tanteraka, araka izany, ireo fitaovana takian’izany toy ny fisian’ny efitra malalaka voatokana hametrahana ny razana miaraka amin’ny fandriana voavoatra manokana hametrahana azy izay voahaingon’ireo fitoeran-dabozia kanto sy fitoeram-boninkazo ary ravaka sahaza ny androm-pahoriana. Hita ao amin’ity efitra ity ihany koa ny seza hipetrahan’ireo fianakaviana. Ahitana efitra fandriana miisa telo hampian-tranoana ireo havana te hifanotrona amin’ireo mana-manjo mandritra ny fotoana fiandrasana ny razana ao amin’ny Maison funéraire « Henikaja ».
Misy ny toerana fikarakarana ny sakafo (lakozia) miaraka amin’ireo fitaovam-pahandroana sy fihinanana izany, ny efitra fidiovana. Ankoatra ireo efa misy ny fanamafisam-peo sy zavamaneno hampiasaina mandritra ny fiandrasam-paty, ny fiara voatokana ho fitondrana ny razana ary ny mpikabary sy ireo mpamono lamba, araka, ny filan’ireo manaman-jo. Manana toeram-piantsonan’ny fiarakodia malalaka ny Maison funéraire « Henikaja» Ambohimangakely.
Mahatsiaro tena ho toy ny any an-trano ihany izahay misitraka ny tolotra omen’ny Maison funéraire « Henikaja », hoy ity nana-manjo nisitraka ny tolotra nomen’ireo tompon’andraikitry ny toerana voatokana handraisana ireo mana-manjo sy ny razana eny Ambohimangakely ity. Vohitra miorina amin’ny toerana hahazoana fitonian-tsaina sy filaminana, madio rivotra ary tontolo manodidina mihaja sy madio. Io no azo hamitinana ny tontolon’ny Maison funéraire « Henikaja» etsy Ambohimangakely. Valonjato metatra miala ny Tobin’ny Zandarimariam-pirenena eny an-toerana, lalana mihazo an’i Betsizaraina.