FANAMPIANA IREO MPIARA-BELONA : Amperinasa i Bénédicte

Bénédicte, renim-pîanakaviana, manokana ny androm-piainany manontolo ho fanampiana ireo Mpiara-belona aminy tojo olana amin’ny endriny marolafy eo amin’ny fiainana. « Ny fananako ilay tsindrimandry miseho amin’ny endrika nofy no ahafahako mamaha ireo olana mety ho tojo ny Olombelona » hoy i Bénédicte. Misy hatrany, hoy, izy ny feo mibitsika mangina ato anatiko manoro ny tokony hatao manoloana ireo olana mahazo ireo Olombelona tonga mitsabo tena sy mila fiarovana amin’ny ratsy tonga, etsy, Tsarahonena Ampandrianomby (Manoloana ny EPP Tsarahonenana).

Miompana betsaka amin’ny fanalana ireo mety ho endrika fisomparana noho ny fialonana sy ny fiarovana ilaina amin’izany, araka izany, ny sehatra iasan’i Bénédicte. Tsongaina amin’izany ny fanafoanana ny sakana mitarika tsy fahombiazana eo amin’ny asa fivelomana ataon’ny tsirairay, ireo lehilahy manana olana eo amin’ny taovam-pananahana (Tsy mahavelona na malemy filahiana, vetivety dia tonga) Ity tranga farany ity izay tena ananany fahaiza-manao manokana tokoa. Ny mosavy, fiainam-pitiavana tsy milamina, voan-kanina, homamiadana, fandika, fiandry, vehivavy momba (tsy miteraka) sns. Misy hatrany ny fitrotroana am-bavaka, hoy i Bénédicte. Nomarihany fa tsy mifanohitra amin’ny fivavahana kristianina ny asa famahana olana ireo Mpiara-belona ataony. Ny fanarahana ireo fepetra takian’ny asa fitsaboana sy fiarovana no antoky ny fahombiazana amin’ny fanalana ireo sakana rehetra eo amin’ny fiainana izay ataoko, hoy, hatrany i Bénédicte. Ny laharan-tarobia 034 09 017 14 no hahafahana mifandray mivantana amin’i Bénédicte.

Vous aimerez aussi