FANANAN-TANY Miahiahy ny mponina ao Nosy Mitsio

Ho tohin’ny fanambarana nivoaka teo aloa teo, dia tonga eto Antananarivo ireo solon-tenan’ny Mponina ao Nosy Mitsio, izay tarihin’ny Prezidan’ny Fikambana Tsarajoro Ankarana, Atoa isany Betombo, Abdoramany Mahamoudo, Jaokamisy, ary Bahja. Nisy ny fihoanana tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny SIF, Sehatra ifotony amin’ny Fananantany (SIF) teny Faravohitra. Tena matahotra sy miahiahy ry zareo amin’izany fametrahana Hotely lehibe izany ataon’ny Emirates, ary efa nambaran’ny Filoha Rajoelina tamin’ny volana Jona 2022. Toy izao ny tatitr’ireo solontena ao Nosy Mitsio.

Ao anelanelan’I Nosy Be sy Antsiranana no misy ny vondron’ny nosy Mitsio ka ny lehibe indrindra amin’ireo no tena mitondra ny anarana Nosy Mitsio, izay manana veleran-tany 2000 Ha.

Tonga eto Antananarivo ny solontenan’ny mponina nanatona ny manam-pahefana mahefa nikaroka vaovao satria mitombo ny resaka mandeha momba ny fitadiavan’ny mpitondra fanjakana mpampiasa vola hananganana hotely kintana 5 ao Nosy Mitsio, nefa tsy misy mihintsy fampahafantarina ny mponina any an-toerana sy fakàna ny heviny momba izany. Mitaitaina ny mponina iray manontolo amin’ny ahiahy amin’ny mety ho aviny sy ny taranany ao Nosy Mitsio.

Efa hatramin’ny taona 2019 mantsy no tsy nahazo nanao fombafomba mahakasika ny fananantany ny mponina ;ary tamin’ny taona 2020 dia nisy mpampiasa vola naniraka teknisiana nanao tombana ara -tontolo iainana tany Nosy Mitsio.

Hotely no noresahana tami’ny mponina tonga nanatrika ilay fivoriana sy nilazana fiatraikany tsasa sy ny ratsy ; fa rehefa vita ilay tombana dia nasehon’ireo teknisiana ny sarin’ny tetikasa hatao ka taitra sy gaga ny olona nahita fa hisy trano maromaro (villas) sy seranam-piara-manidina kasaina hapetraka eo amin’ny toerana misy ny trano fonenan’ny tamin’izany ftoana izany. Tsy raikitra ilay tetikasa noho ny antony tsy dia fantatra loatra.

Tamin’ny volana jona 2022 no nilaza Andriamatoa filohan’ny Repoblika fisy Hotely kintana dimy hajoro any Nosy Mitsio. Nanamarina ny hisian’ny tetikasa ny Ministry ny Fizahantany teo aloha raha nametrahan’ny solontenan’ny mponina fanontaniana tamin’ny volana novambra 2023. Nivoaka tany amin’ny facebook tamin’ny volana oktobra 2024 fa ilay mpampiasa vola Emirati nandalo teto nomena na nivarotra an’i Nosy Mitsio.

Koa rariny angamba, Tompoko, raha mba homena fanazavana ny mponina izay ho voakasika mivantana ny hanontaniana ny heviny araka ny fepetra fanajana ny Zon’olombelona. Sady tany nolovanay tamin’ny razam-benay izay nipetraka tao nanomboka ny taona 1880. Tany ho any i Nosy Mitsio no tany iasanay sy hamokaranay ary kasainay hatao loavan’ny taranakay.

Fantatray fa maro ny mpanao gazety sy olon-tsotra eran’ny Madagasikara manaraka ny raharaha momba ny Nosy Mitsio izay efa navoaka tamin’ny fahitalavitra sy gazety teo aloha. Fantatra fa maro ny manohana anay mba tsy ho very tanindrazanana sy antom-mpivelomanana ary kolontsaina. Ka tonga manao tatitra amin’ny rehetra momba ny anton-dia izahay.

Rehefa avy niatrika lalan-dratsy nandritry ny 36 ora izahay, satria tapaka ny tetezana (radier) tao Ifasy, ka tonga teto Antananarivo soa aman-tsara, dia ny Tale Jeneralin’ny Ministeran’ny Fizahan-tany no nandray anay miaraka tamin’ny Tale roa tao amin’ny Ministera ny talata faha-03 desambra 2024.

Raha arak’io tatitra io, dia tsy nahita ny tompon’andraikitra lehibe ny « Projets présidentiels » ry zareo solontena ireto. Ary tsy nahitana valiny mahafam-po ny resaka tamin’ny ministeran’ny Fizahantany, izay manana ny antontan-taratasy rehetra.

Inona ary ny antony an-draràna ny mponina tsy avela hanao taratasy tany manoritra ny fananany? Mihantona daholo rehefa « dossier » mikasika ny « Foncier » ao Nosy Mitsio. Mihahy mafy ny mponina satria Nosy Mitsio dia tanin’ny taranaky ny Mpanjaka Tsimiaro, koa saro-piaro ry zareo amin’ny lovany. « Tsy manda fandrosoana izahay, fa rariny raha ilazana voalohany ny fikasana hatao. Tsy azo bodoina ami’izao ny taninay, satria manana ny Hasiny izy io. »

Vous aimerez aussi