FANAOVAN-GAZETY Nodimandry i Mamy Nohatrarivo

Nodimandry omaly i Mamy Nohatrarivo. Anisan’ireo Mpanao gazety zokiny izy ary nanana ny fahaiza-manao teo amin’ny soratra.

Nanana ny solonanarana hoe Mamy K izy tamin’ireo asa-sorany samihafa.

Matihanina tao amin’ny gazety an-tsoratra « Express de Madagascar » i Mamy. Efa tonian-dahatsoratra tao amin’ny gazety « L’Hebdo » sy « Ao Raha » ihany koa izy.

Nahafantarana azy indrindra koa anefa ny fanoratana tao amin’ny gazety bokikely « No Comment ».

Nisy koa ny fotoana naha-tonian-dahatsoratra azy tamin’ny gazety mpivoaka isan’andro « Sakamalaho »,…

Efa tsy salama nandritra ny fotoana naharitraritra izy no izao nindaosin’ny fahafatesana izao.

Ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny Agence Malagasy de Presse dia maneho fiaraha-miory ary mampitraka ny fianakaviany.

Vous aimerez aussi