FANDRAKOFANA ALA INDRAY AN’I MADAGASIKARA : Nitondra ny anjara birikiny ny orinasa Star

Tsy diso anjara amin’ny fandrakofana ala indray an’i Madagasikara ny orinasa Star. Manaporofo izany ny fitondran’izy ireo anjara biriky tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo. Na ireo mpiasan’ny orinasa na ireo Vondron’olona eny ifotony na ireo mpamboly na ireo sekoly manodidina ny toeram-piasan’ny Star izay mpiara-miombon’antoka amin’ny orinasa Star na ihany koa ireo mpamboly mpiara-miasa aminy dia samy notoloran’ity orinasa ity tanana avokoa tamin’izany fambolen-kazo izany.

Zana-kazo manodidina ny 8.000 isa no nozaran’ny orinasa Star tamin’ireo vondron’olona eny ifotony sy ireo mpamboly ary ireo sekoly manodidina ny toeram-piasan’ny Star. Zana-kazo mahatratra 26.000 isa no nambolen’ny mpiasan’ny orinasa Star manerana ireo toeram-pamokaran’ny Star eto amintsika, tamin’ity taona ity. Izy ireo izay novolena tany amin’ny orinasa “MALTO” Antsirabe. Ankoatra ireo rehetra ireo dia mbola manana zana-kazo miisa 20.000 ny orinasa Star izay itsinjovana ny filàn’ny mpamboly mandritra ny taona 2025. Ny mpiasan’ny orinasa Star dia entanin’ity orinasa ity mba hamboly hazo any amin’ny toerana misy azy ireo avy. Maherin’ny 6.000 isa araka izany ireo zana-kazo voavolin’ireo mpiasa ireo hatramin’izay ka hatramin’izao. Izao hetsika izao dia tafiditra indrindra ao anatin’ny andraikitra ara-piaraha-moninin’ny orinasa Star na ny “RSE”, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi