FESTIVAL FANORONA Hotanterahana eny Ambohidratrimo

Sambany teo amin’ny tantaram-pirenena no hisy ny fanatanterahana hetsika goavana izay entina hamantarana bebe kokoa sy lalindalina kokoa ny tontolon’ny Fanorona malagasy. Ny 11 sy 12 febroary ho avy izao, etsy amin’ny tranom-pokonolona Ambohidratrimo no hanatanterahana izany anatin’ny Festival Fanorona andiany voalohany.

Ankoatry ny fifaninanana fanorona « Inter communal » hotanterahana eny an-toerana dia hisy ihany koa ny velakevitra hatao. Anisan’izany ny famelabelarana ny « Ny kabary sy ny teti-panorona » « Ny foto-pisainana Malagasy milafika amin’ny fanorona, « Ny fifandraisan’ny Fanorona-Fandroana-Sikidy ary ny « Teknikam-pilalaovana fanorona. Hisy ihany koa ny fampirantiana sy ny trano heva izay samy hahitana ny mombamomba sy ny tsara ho fantatra manodidina ny fanorona.

Hanafana ny sehatra ireo mpanakanto Zanak’Ambohidratrimo, monina eny anivon’ny fokontany sy ny distrika. Hiara-dalana amin’ireo rehetra ireo ny fanatanterahana ny « Dinika famerenan-kasina » momba ny Rovan’Ambohidratrimo. Hetsika tafiditra anatin’ny fankalazan’i Souleman mpikabary ny faha-20 taona nikabariany ity Festival Fanorona ity. Nomarihany fa amin’ny maha Vohitry ny « Fanorona » an’Ambohidratrimo sy amin’ny maha Zanak’Ambohidratrimo azy no nifanomezany tanana miaraka amin’ny Kaominina eny an-toerana sy ny Vovonana nasionalin’ny fanorona malagasy ary ireo fikambanana maro ho amin’ny fanatanterahana azy ity.

Hampiavaka ny Festival Fanorona andiany voalohany ny hanolorana marim-pankasitrahana ho an’ireo Zoky Ray aman-dreny nampianatra fanorona tao Ambohidratrimo. Anisan’ireo ngezalahy amin’ny filalaovana fanorona ankehitriny i Zamabe. Ity farany izay handray anjara mavitrika anatin’ny Festival Fanorona.

Vous aimerez aussi