FI.Z.A.M.A : Eny amin’ny « Cercle Mess » Soanierana ny “Bonne Année 2025”

Ny sabotsy 22 febroary ho avy izao, eny amin’ny “Cercle Mess” Soanierana, no hanatanterahan’ny Fikamban’ny Zanaka Ampielezana Mandritsara eto Antananarivo na ny FI.Z.A.M.A, ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2025. Ity fotoana ity izay entin’ny fikambanana hampivondronana indray ireo mpikambana rehetra ao aminy mba hanehoan’izy ireo firaisan-kina.

Mampiavaka ity lanonana ity ny fizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ireo mpikambana izay midika fa iray ihany ireo mpikambana rehetra. Mpanakanto maro toy an’i Judickael, Suzannah, Jean Rigo, Vaiavy Chila, LeJim 415, Salva Panga, Lianah izay samy zanaka Mandritsara eto Antananarivo sy avy any amin’ny faritra no hanafana ny lanonana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny FIkamban’ny Zanaka Ampielezana Mandritsara eto Antananarivo, Tsiarovana Bergès Angelino. Manome toky ny tomponandraikitra mpikarakara fa ho afa-po avokoa izay rehetra tonga hamonjy ny lanonana amin’io fotoana io. Ny FI.Z.A.M.A dia notoloran’ny Fikambanana FI.VA.MA sy CREAM ary FI.ZA.KA.SA tanana, tamin’ny fikarakarana, ny lanonana. “Fitmbaragna raha tsara, FIZAMA nihintsika jiaby” no teny filamatry ny fikambanana. Ny FI.Z.A.M.A dia anisan’ireo fikambanana mitandro hatrany ny fiombonana indrindra fa amin’ny andron’ny Asaramanitra. Antony hanatanterahan’izy ireo ny “Trôkobe” na ny “Tôkobe”.  Izy io izay kolontsaina Tsimihety velomi-maso.

Efa mahatratra aman’arivony ankehitriny ny mpikamban’ny FI.Z.A.M.A mifanohana izay maneho fahavononana hatrany amin’ny fitondrana anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny firenena. Vonona handray andraikitra avokoa ny manampahaizana zanaky ny faritra. Ny fikambanana izay misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana mijoro, hoy hatrany ny filohan’ny FI.Z.A.M.A, Tsiarovana Bergès Angelino.

Vous aimerez aussi