FIAKARAN’NY « DROITS D’ACCISES » : Manao antso avo amin’ny manam-pahefana ny orinasa STAR

Teo anelanelan’ny taona 2020 sy 2025 dia nahitana fiakarany 293% ny hetra alain’ny manam-pahefana amin’ny zava-pisotro labiera izay vokarin’ny orinasa STAR. Raha toa ka 290 Ariary isaky ny litatra izany teo aloha dia miakatra ho 850 Ariary ankehitriny. Izany hoe: tao anatin’io 5 taona io dia niakatra avo telo heny ny hetra alaina amin’ity zava-pisotro vokarin’ny orinasa STAR ity. Noho izany dia niakatra ny vidin’ny vokatra vokarina ka tsy takatry ny fahefa-mividin’ny mponina intsony.

Miteraka fahasahiranana eo amin’ny fidiram-bolan’ny Malagasy aman’aliny anefa izany fisondrotam-bidy izany. Tandindonin-doza 100% mantsy ity lalam-pamokarana malagasy ity. Manoloana ny zava-misy mantsy dia fianakaviana mahatratra 50 000 no voakasika amin’ity fiakaran’ny hetra alain’ny manam-pahefana ity. Asa raikitra miisa 3 700 no mety ho very raha tantsaha mpamokatra miisa 20 000 no tsy afaka hamokatra intsony.

Ankoatra ireo dia mpanjinjara miisa 350 amin’ireo toeram-pivarotana miisa 25 000 manerana ny Nosy no tsy afaka hivarotra intsony. Mpiara-miasa amin’ny orinasa STAR isan-karazany avy eto an-toerana miisa 1 100 no tsy afaka hanohy ny asany raha toa ka tsy hisy intsony ny zava-pisotro labiera eto amintsika. Izy ireo izay orinasa madinika sy salantsalany ny ankamaroany. Ny haratsian’ny varotra naterak’ireo fampiakarana hetra diso tafahoatra ireo dia olana goavana amin’ny fiveloman’ireo rehetra ireo. Mitsinjo hatrany ny kalitaon’ny vokatra anefa ny orinasa STAR hany ka tsy maintsy nampiakatra ny vidin’entana. Sahirana araka izany ny mpiara-miombon’antoka satria tsy mandeha ny tsena ary ny tontolo ara-toekarena eto Madagasikara mihitsy no tsy afa-bela amin’izany.

Miantso fanovana manodidina ny hetra araka izany ny STAR

Mahakasika ny politikan’ny hetra ampiharina eto amin’ny Nosy dia miantso fanovana ny orinasa STAR. Takian’ny orinasa ny fampidinana ny « droits d’accises » amin’ny labiera. Io ihany no lalan-tokana hahafahan’ny rehetra mividy ny vokatra sy mitsinjo ny indostria. Rehefa manohana ny indostria eto an-toerana ny fanjakana dia manampy amin’ny famoronana asa sy ny fampirisihana ny fampiasam-bola ary ny fampivoarana ara-toekarena.

Manao antso avo amin’ny Governemanta ny orinasa STAR mba hiverina hifampidinika manoloana ity fampiakaram-bidy ny zava-pisotro labiera ity. Eken’ny STAR mantsy fa zava-dehibe ny fampidiran-ketra ho fampihodinana ny asam-panjakana. Ny orinasa STAR rahateo hatramin’izay nijoroany izay ka hatramin’izao fotoana izao dia tsy mba nisitraka tombony manokana.

Mampirisika ihany koa anefa izy ny mba hisafidianana ny fiarovana ny indostria malagasy fa tsy ny famonoana ny mpisehatra goavana amin’ny toe-karena nasionaly. Aza atao sorona ny asa sy ny indostria malagasy. Fotoana izao isafidianana ny fampandrosoana ara-toekarena maharitra, araka ny fanazavana voaray avy aminn’y orinasa STAR hatrany.

Vous aimerez aussi