FIANGONANA HEBREO NOTSRYM : Nankalaza ny "Taom-baovao Hebreo"

Ny Alahady 29 Martsa dila teo, tao amin’ny “bet kneset” trano fivavahan’ireo manaraka ny Finoana Hebreo notsrym, etsy, Ankasina, no nankalazan’izy ireo ny “Taom-baovao Hebreo” tafiditra anatin’ny volana Habib. Tsiahivina fa manaraka ny tsingerina ara-pambolena ny alimanakan’izy ireo izay mifanaraka amin’ny voarakitra anatin’ny Torah.

Ny fidiovana sy ny fanadiovana. Ireo no ezahana hasongadina anatin’ny fankalazana ny “Taom-baovao Hebreo” Misy, araka izany, ny fifamelan-keloka eo amin’ireo Olombelona nisy disadisa. Ankoatry ny fanomezan-danja ny fzmelan-keloka dia fandraisana tso-drano avy amin’i Yeshua ihany koa ny “Taom-baovao Hebreo”. Naseho amin’ny endrika fitsofan-drano avy amin’ireo raiamandreny izany ny Alahady 29 Martsa teo, tetsy Ankasina. Amin’ny maha fety lehibe ny Taom-baovao Hebreo dia nisy ny iaraha nanjifa ny “Hanim-pitoloha” izay nahitana ny Vary amin-dronono notondrahan-tantely. Fotoana fidiovana sy fanadiovana, araka izany, ny fankalazana ny “Taom-baovao Hebreo”.

Marihana fa ny volana Septambra ho avy izao no hanamarika ny “Taom-baovao lohataona” ny eo anivon’ny Fiangonana Hebreo notsrym. Ny volana Septambra izay manamarika ny fiandohan’ny lohataona sy fanombohana ny taom-pambolena. Taom-baovao miisa roa toy ny ankalazan’ny (Mala)Gasy ihany koa no marihan’ny Hebreo. Nanao antso avo hampitsaharana ireo endrika disadisa amin’ny famaritana ny fotoana hankalazana ny “Taom-baovao malagasy” i Shalar Andriamady Rija, mpitarika ny Fiangonana Hebreo notsrym eto Madagasikara. Nambarany fa samy mitombona ny fankalazana ireo Taom-baovao miisa roa ireo. Nanentana ny mpitondra fanjakana koa izy mba hanao ho andro tsy fiasana ireo fotoam-pankalazana ny Taom-baovao ireo ho an’ny Hebreo sy ny (Mala)Gasy.

Vous aimerez aussi