FIANGONANA « HEBREO NOTSRYM » Nankalaza ny « Yom terouah »

Ny Alahady 29 septambra lasa teo, tetsy Ankasina, toerana misy ny bet kneset « Trano fivavahana » misy ireo mpino manaraka ny finoana Hebreo notsrym, tarihan’ny Shalar Rija Andriamady, no nankalaza ny «Yom terouah» na ny fetin’ny trompetra. Yom, midika ho andro ary ny terouah mitovy hevitra amin’ny hoe : hikam-pifaliana izy ireo.

Yom terouah na koa « Fetin’ny trompetra » araka ny voasoratra anatin’ny « Torah » (Andron’ny horakoram-pifaliana) ho fanamarihana ny nanomezan’ny Ray tsitoha ny taom-baovao sy ny andro fiavian’ny Mpamonjy ho an’ireo mpanaraka ny finoana « Hebreo notsrym ». Amin’ny maha taom-baovao azy dia horakoram-pifaliana tao anatin’ny fanatanterahana fotoam-pivavahana izay niompana tamin’ny fanamafisana ny finoana sy ny fibebahana narahana fiaraha-misakafo nahitana ny vary amin-dronono tondrahan-tantely sy ny filaofana ny henan’osy, akoho, trondro, sns no nandrafitra ny fandaharam-potoana tamin’ny ankapobeny teny an-toerana. Marihana fa ny Malagasy ihany koa dia mankalaza taombaovao miisa roa (Lohataona sy ny habib) Ny taom-baovao izay midika ho fidiovana sy fieken-keloka mba hahafahana miaina bebe kokoa hatrany ny fahamarinana araka ny voasoratra anatin’ny baiboly.  Voaporofo indray, araka izany, fa Hebreo ny Malagasy ary isika no ireo taranaka voafidy any an-tany lavitra. Manana ny foto-pinoany izay manaraka antsakany sy andavany ny voarakitra anatin’ny baiboly ny Malagasy. Ny hampiaina ny mpiray tanindrazana ny fahamarinana araka ny voarakitra anatin’ny « Torah » baiboly, araka izany, no antom-pisian’ny fiangonana Hebreo notsrym izay tsy sasatra ny manambara ombieny ombieny fa taranaka Hebreo ny maro amin’ny Malagasy. Maro ireo porofo manamarina izany, tsongaina amin’ireny ity  fotoam-pankalazana ny « Yom terouah » ity. Raha tiana ny hisian’ny tena fampandrosoana dia ilaina ny fiverenana amin‘ilay fivavahan-drazana Hebreo notsrym. Ity farany izay manome lanja manokana ny firaisankina, ny fampanjakana ny fahamarinana amin’ny lafiny rehetra ary ny fanatanterahana izay rehetra voasoratra anatin’ny « torah » na ny baiboly. Raha tanteraka ireo, azo inoana fa hirindra sy hilamina tsy hisy rahoraho ny fiarahamonina ary ho afaka hizotra malalaka ho amin’ny tena fampandrosoana sy fiaraha-mikatsaka ny « Tombontsoa iombonana » isika Malagasy. Vahaolana tsotra hialana amin’ny fahantrana lalina ( ara-tsaina, ara_batana) mahazo laka isanandro vaky izao eto Madagasikara, araka izany, ny fiverenana amin’ny fivavahan-drazan’ny Malagasy dia ny Hebreo notsrym izay tsy mifanipaka na kely aza amin’ireo soatoavina sy fomba amam-panao eto Madagasikara ary maha gasy ny gasy izay antoka lehibe nampirindra ny firahamonina fahiny. Trafon-kena ome-mahery…

Vous aimerez aussi