FIANGONANA « VAVAKA FANAFAHANA » : Nanolotra ny « « Vavaka sy Tso-drano » ho an’ny tapa-taona faharoa »

Ny « « Vavaka sy Tso-drano » ho an’ny tapa-taona faharoa » indray no natolotry ny Fiangonana « Vavaka Fanafahana », ho an’ny mpino rehetra tsy ankavanaka manerana ny Nosy, ny alahady 27 jolay 2025, teny amin’ny « Pietra » Analakely. Ity « « Vavaka sy Tso-drano » ho an’ny tapa-taona faharoa » ity izay niarahana tamin’ny Pasteur Rabemananony Fidisoa sy Pasteur Noro Lucie. Fidirana telo samihafa no nisy tamin’io fotoana io dia ny tamin’ny 8 ora sy amin’ny 10 ora maraina ary ny tamin’ny 2ora tolakandro.

Ity « « Vavaka sy Tso-drano » ho an’ny tapa-taona faharoa » ity dia niompana tanteraka tamin’ny « Vavaka sy fitsofan-drano » araka izay nambara hatrany hoe : mila « Tso-drano » ny olombelona sy ny zava-manan’aina izay noforonin’Andriamanitra. Tsy noforonin’ny fiangonana izy io fa Andriamanitra no namorona azy araka izay hita ao amin’ny Bokin’i Genesisy. Ireo noforonin’Andriamanitra rehetra ireo izay notsodranoiny avokoa rehefa nahavita zava-boahary iray Izy.

Taty amin’ny vanim-potoana niainan’i Noah ihany koa aza dia nitsodrano Andriamanitra ka nanao hoe : « maroa fara, maroa dimby, mamenoa ny tany ». Ny dikan’izany dia ilaina ny « Tso-drano ». Na any amin’i Jakoba ihany koa aza dia mbola nilaina ny « Tso-drano ». Na efa nitsodrano ny mpino rehetra sy izay nandray izany “Tso-drano” izany aza ny mpitondra fivavahana tamin’ny tapa-taona voalohany dia ilaina indray izany ho an’izao tapa-taona faharoa izao. Kihon-dalana lehibe ho antsika zanak’olombelona izany tapa-taona faharoa izany. Betsaka mantsy ny karazana sedra sy karazan’olona mety hifanena amintsika ka mety hisy ny tsy ampoizina hiseho toy ny ozona.

Ny endrika isehoan’ny “Tso-drano” dia ny mba ho maro, mba ho feno, mba ho betsaka, eto amin’izao tany fandalovana izao. Na ny eo amin’ny fahasalamana ihany koa aza dia mba hahery sy hatanjaka anie tsirairay na eo aza ny tolon’ny fiainana andavanandro. Hafa ihany mantsy izany mahazo “Tso-drano” izany eo amin’ny andavanandrom-piainana na eo aza ny ady atrehana. “Ary hanomezan’Andriamanitra Anao anie ny andon’ny lanitra sy ny tsiron’ny tany” anie izany.

Ny “Tso-drano” dia teny tsara izay misy dikany ara-panahy tanteraka. Teny tsara omena mba hamahatra ny ho avy. Ny “Tso-drano” dia natokana ho an’izay mangetaheta rehetra na lahy na vavy na kely na lehibe, mba ho feno, mba ho betsaka ao anatin’izany rehetra izany. Ny olona rehetra araka izany no tokony handray “Tso-drano” na avy amin’ny Ray aman-dreny niteraka io na avy amin’ny Ray aman-dreny ara-panahy.

Ireo rehetra mbola nisalasala araka izany dia nasaina mba ho avy tamin’io fotoanan’ny « « Vavaka sy Tso-drano » ho an’ny tapa-taona faharoa » izay nokarakarain’ny fiangonana “Vavaka Fanafahana” io mba hialana amin’ny ozona satria malama maina ny tany. Na mandeha aza ny fiainana iainana dia mety ho lavo eny am-pandehanana. Ny alahady 23 febroary 2025 teny amin’ny CCI Ivato no nanatontosana ny “Vavaka sy Tso-drano” andiany voalohany raha ny tamin’ity taona 2025 ity, araka ny fanazavan’ny Pasteur Rabemananony Fidisoa.

Vous aimerez aussi