“Ny fandraisana an-tanana ireo reny mitondra vohoka sy ny zaza”. “Ny fandrindram-piterahana”. “Ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy ny mahavavy”. Ireo no sokajy miisa telo natolotry ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny mponina na ny “UNFPA” ny mpanao gazety mba handraisan’ izy ireo anjara amin’ny fifaninanana ho amin’ny asa soratra sy vokatra avoakan’ny mpanao gazety.
Ny mpanao gazety mantsy dia mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny fanabeazana manoloana ny fiaraha-monina. Antony nanatontosana izao fifaninanana izao. Mpanao gazety miisa telo mianadahy avy amin’ny “REMAPSEN Mada” no nibata ny amboara tamin’izao fifaninanana nampanaovin’ny “UNFPA” izao dia ny mpanao gazety ao amin’ny “Gasikara News”, Andriamifidy Tiana. Izy izay nandray anjara teo amin’ny sokajy “Ny fandraisana an-tanana ireo reny mitondra vohoka sy ny zaza” tamin’ny alalan’ny: “Ny fandraisana an-tanana ny vehivavy mitondra vohoka sy ny reny vao teraka ao amin’ny fonjan’Antanimora sy ny fonjan’Ambalatavoahangy.” Ny mpanao gazety avy ao amin’ny “Delire Madagascar.com”, Rakotomiarintsoa Nirina no nahazo ny loka teo amin’ny sokajy “Ny fandrindram-piterahana”.
Tamin’ny alalan’ny lohahevitra manao hoe: “Mampahantra ny tsy fisian’ny fandrindrana fiterahana ao anaty firenena iray”no nahazoany izany. Ny mpanao gazety ao amin’ny “Radio Oasis” no sady mpandrindra nasionaly ny fikambanan’ny mpanao gazety “REMAPSEN Mada”, Rakotondratsimba Vonona, no notolorana loka teo amin’ny sokajin’ny “Ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy ny mahavavy”. Tanjon’ny “UNFPA” ny fifantohana amin’ireo vokatra telo andrasana sy tratrarina ireo. Ny “UNFPA” sy ny Masoivoho Norvezianina izay namolavola ity fifaninanana ity dia nampitovy avokoa ny lokan’ireo mpifaninana ireo. “Appareil photo Numerique”sy “Micro” ary “Ordinateur Portable” ireo fitaovana natolotra ireo mpanao gazety nandresy tamin’ny fifaninanana ireo, araka ny fanazavana voaray.


