FINOANA « HEBREO NOTSRYM » Nankalaza ny « Shavouot »

Vory lanona tetsy Ankasina, toerana misy ny « Beyt kneset » (Trano fivavahana), ireo mpino avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, eo anivon’ny finoana « Hebreo notsrym », ny alahady 02 jona lasa teo, nankalaza ny « Shavouot » na ny fetin’ny Pentekosta.

Ny « Shavouot » izay natao ahatsiarovana ny nanoloran’i Adonaî ny didy folo ho an’ny zanak’Israely tao an-tendrombohitry Sinay, ny fanolorana ny voaloham-bokatra (vary akotry madio tsara) ary ny fahatsiarovana ny nirotsahan’ny fanahy masina tamin’ireo apostoly. Nomarihan’i Shalar Andriamady Rija, mitarika ny finoana Hebreo notsrym eto Madagasikara fa voarakitra anatin’ny baiboly ny tsy maintsy hanaovana ny fanolorana ny voaloham-bokatra (Fambolena, fiompiana) ho an’ny Hebreo notsrym mba ahafahana miala amin’ny fitsiriritan’ny Vahiny ny fakana tany ary ny mba hahazoana fitahiana sy tso-drano amin’ny asa fambolena sy fiompiana izay atao. Ankehitriny, ny ankamaroan’ny Malagasy no efa tsy manao intsony ny « Santa-bary » Vokany, tsikaritra fa anjakazakan’ireo Vahiny ny tany ary mihena am-pitoerana ny tahan’ny vokatra azo. Ilaina, araka izany, ny fanatanterahana ny fanolorana ny voaloham-bokatra « Santa-bary » mba ho feno mitafotafo hatrany ny fitoeram-bary ary tsy hisy hitsiriritra na ho lasan’ny Vahiny ny tany, hoy hatrany ny voarakitra anatin’ny baiboly. Azo ambara ho ampahany amin’ny fanalahidy ahafahana miala amin’ireo mety ho endrika marolafy amin’ny fangejan’ny Vahiny ny fanaovana ny fanaterana ny voaloham-bokatra ho an’i Adonaî mandritra ny « Shavouot ».

Marihana fa ny Hebreo notsrym dia ireo mino fa efa nandresy ny fahafatesana i Yeshoah (Jesoa) ary efa tonga. Misy ihany koa ny ny « Hebreo Judaïsme » izay mbola miandry ny fiavian’i Mesia. Ny fiarahana misakafo sy firavoravoana nombana hira maredona sy dihy no nentina namaranana ny fotoam-pankalazana ny « Shavouot » tetsy Ankasina. Ny fankalazana ny fetin’ny Tabernakely no handimby ny fanamarihana ny « Shavouot » ho an’ireo mpino eo anivon’ny finoana « Hebreo notsrym » eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi